
Maribolana: “Miyagi, Tochigi, Ibaraki: Maty 4, Tsy hita 15; tokantrano 12.000 tratry ny tondradrano.” Dikasary avy tamin'ny fantsona ofisialy Youtube an'ny ANN.
Ny herinandro lasa teo, niatrika ora-mikija nandritra ny andro maro ny faritr’ i Tokyo sy Kanto noho ilay Tafio-drivotra Etau. Voakapoka mafy tamin'ilay tondradrano lehibe sy tsy nampoizina ireo tanàna fatorian'ireo mpiasa monina akaikin'ny tanan-dehibe sy ireo fileovana any avaratra atsinanan'i Tokyo.
Farafahakeliny tokatrano 12.000 no nizaka ny tsy eran'ny ainy tamin'ilay tondradrano, izay farafahakeliny namela olona efatra maty ary farahafakeliny olona miisa dimy ambiny folo tsy hita popoka.
Nahavariana ny halehiben'ilay tondradrano, ary nampahatsiahy ilay fahasimbàna naterak'ilay “tsunami” (onjan-dranomasina goavana be) izay nikapoka ny avaratra atsinanan'i Japana ny volana Martsa 2011.
Raha namely ny faritra maro tany avaratra atsinanan'i Tokyo ilay tafio-drivotra Etau, i Joso no tanàna iray teny voa mafy indrindra, ao amin'ny Fileovan'i Ibaraki, eo amin'ny 60 kilaometatra any avaratra atsinanan'ny ivon'i Tokyo.
Namaky sy nandrava ny fefilohan'ny Renirano Kinugawa ireo orana nikija be.
大規模な水害に見舞われた #鬼怒川 周辺の衛星写真を Google 災害情報マップ https://t.co/g3B8PVs2uN で公開しました。被災された皆さまの安全と一日も早い復旧を心から願っています。 pic.twitter.com/DW4484QzIG
— Google Japan (@googlejapan) September 12, 2015
Ny Google Crisis Response Map [teo aloha-sy-aty aoriana], mampiseho sary avy amin'ny zanabolana misy ny haben'ny faritra #Kinugawa tratry ny tondradrano : http://www.google.org/crisisresponse/japan .Manantena ary mivavaka mafy amin'ny fonay tokoa izahay mba ho avotra daholo ny tsirairay ary ho afaka hanomboka hanamboatra haingana araka izay tratra ny fiainany.
Nampiseho ny haben'ny tondradrano ihany koa ireo tatitry ny vaovao :
Nanome vaovao mivantana tsy ankijanona mikasika ilay loza voajanahary ireo tambajotram-baovao. Nizara ny sasany tamin'ireo sary ao amin'ny Twitter ireo mpampiasa:
鬼怒川堤防が決壊した地区の生中継ずっと観てました! 放送画面で私が確認した人達は自衛隊の活躍によって全員救助されたと思います! 自衛隊もスピードと確実性を要求される中よく頑張った! 他の地区の人も頼んだぞ!(º_º)ゞ敬礼 pic.twitter.com/IdShgLzu6v
— アルパパ@愛媛 (@EHIMEnoNOBU) September 10, 2015
Ito ny vaovao mivantana avy amin'ilay fefiloha vaky ao [amin'ny Renirano] Kinugawa. Misaotra ny JSDF (Hery Fiarovantena Japana), avotra daholo ireo tafahitsoka teny an-tafontrano. Tena nahavita niasa haingana ny JSDF mba hamonjy azy ireo raha vao notairina tamin'ny zava-niseho. Enga anie ho afaka avotana ihany koa ireo olona tafahitsoka any amin'ny faritra hafa misy tondradrano! Ao anatin'ny vavakay izy ireo!
Iray tamin'ireo be mpizara indrindra tamin'ny Twitter ilay hetsika nanavotana ilay mpivady niaraka tamin'ireo alikany:
これおじいちゃんが抱えてるの犬やんな 一切吠えずに救助されるのをじっと待ってるとか 正直涙出てきた #鬼怒川 #台風 pic.twitter.com/gRxxfTLDn0
— Tokky(ときふさ) (@tokkinaitospide) September 10, 2015
Tsy tafàla nijery ny fahitalavitra nandefa ny fandrakofana ny fanavotana ilay lehilahy lehibe nitazona ny alikany (izay tsy nivovo na nanao zavatra hafa) mihitsy aho. Rehefa avotra tanteraka izy ireo, nanomboka nitomany amin'izay aho.
Ito ilay fanavotana iray manontolo:
@tokkinaitospide おばあちゃんと犬一匹助かった おじいちゃんと犬もう一匹もう少しです #鬼怒川 #台風 pic.twitter.com/Oe4A6Smn2u
— Tokky(ときふさ) (@tokkinaitospide) September 10, 2015
Avotra ilay vehivavy sy ilay alikany; ilay lehilahy sy ilay alika ambiny no dingana manaraka.
Nanamarika ireo mpijery hafa hoe mety tafiditra anaty làlan'ireo mpanao asa fanavotana no misy ilay angidimby anà televiziôna naka ireo sarinà fanavotana:
救助されたは本当に良かったけれども、この家その10分後には流されてて、あと少し遅れてたらと思うとゾッとする。 とりあえず、救助活動妨害してたこのヘリの乗組員は雁首そろえて謝罪するべき。 #鬼怒川 #マスゴミ pic.twitter.com/1x3YcdlEYd
— 二郎丸 (@godon0318) September 10, 2015
Raha teo am-pieritreretana aho hoe zava-dehibe kosa hoe avotra izy ireo, folo minitra taorian'izay, lasan'ny rano ilay trano iray manontolo. Nangovitra aho rehefa tonga saina hoe tena nifanakaiky ny zavatra niseho. Ao anatin'izany, tokony aseho eto ary atao fanta-bahoaka ho menatra ilay ekipanà angidimby izay teny amin'ny làlana anaovana asa fanavotana.
Nankalazaina sy nisaorana eran-tany ny Hery Fiarovantenan'i Japana (JSDF, Tafik'i Japana) tamin'ny ezak'izy ireo hanampiana haingana sady nety tsara ireo olona tratry ny tondradrano.
Hita navitrika tao amin'ny Twitter sy ireo media hafa ny JSDF, nampahafantatra ny ezaka fanavotana sy famonjena olona nataon'izy ireo.
関東地方から北日本にかけての大雨に係る災害派遣についての状況です。 茨城県では引き続き、孤立者の救助、ボートによる避難支援及び土嚢による水防活動等に係る活動を実施しております。 #災害派遣 #自衛隊 #茨城県 #大雨 #鬼怒川 pic.twitter.com/hllANUIzwU
— 陸上自衛隊 (@JGSDF_pr) September 12, 2015
Izao ny toe-javatra niseho tany Kanto ao avaratr'iJapana taorian'ny nametrahana anay hanao fanampiana noho ilay ora-nikija lavareny. Mbola mitohy ny ezakay any Ibaraki, manampy ireo tafahitsoka ao amin'ny tondradrano, ary mametraka sambokely hanavotra ireo olona ho eny amin'ny toerana azo antoka.
Lasa sarisary hanihany ao amin'ireo media sosialy ilay trano izay tena nahagaga fa nahavita niatrika tsara ilay tondradrano:
一夜が明けたヘーベルハウスの様子 #鬼怒川 #堤防決壊 pic.twitter.com/biDPcStqmS
— ゆる系速報・ぽん太くん (@JPNG5) September 10, 2015
Nieren-doza tamin'ilay tondradrano nandritra ny alina ny Trano Hebel.
Ny Trano Hebel dia marika trano efa vonona ny ho atambatra fotsiny vita ao Japana. Mahazatra any amin'ny tanàna manodidina ny renivohitr'i Japana ireo trano tonga dia atambatra fotsiny; amboarina any aminà orinasa iray ireo akora ilaina ary avy eo alefa any amin'ny toerana fanambàrana mba ho atambatr'ireo mpandraharaha.
Notaterin'ny Livedoor, vohikalam-baovao amin'ny Aterineto, ny resabe tamin'ny media sosialy mikasika ilay Trano Hebel. Araka ny Livedoor, nilaza izao ny mpaneho hevitra iray tao amin'ny Aterineto :
「さすがへーベルハウス!」
「家建てる時はヘーベルハウスにしたい」
Eny, tena mahavita miatrika tsara ny tondradrano ny Trano Hebel. Rehefa manamboatra trano aho, miaraka amin'izy ireo hatrany!
Midika Fiovan'ny Fomba Fisehon'ny Rivodoza Any Japana Ny Fiovàn'ny Toetrandro
Hatrizay, miala avy any andrefana ka mikisaka mankany atsinanana ary manavatsava ny nosin'i Japana Honshu ireo rivodoza, ary voasakan'ireo tendrombohitra manodidina ireo tanàna kely avaratr'i Tokyo ny ampahany amin'ny heriny.

Hatrizay, miala avy any avaratra ka mikisaka mankany atsinanana ary manavatsava ny nosy Japoney an'i Honshu ireo rivodoza, ary voasakan'ireo tendrombohitra manodidina ireo tanàna kely avaratr'i Tokyo ny ampahany amin'ny heriny. Sary natambatr'i Nevin Thompson, avy tamin'ny Wikipedia.
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanova ny fikapohan'ny rivodoza ny tany ao amin'ny faritry Tokyo ihany koa ny fiovàn'ny fandehan'ny rivotra noho ny fiovàn'ny toetrandro.
Saiky avy any atsimo ankehitriny ny fiavian'ny rivodoza ary avy amin'ny Ranomasimbe Pasifika misokatra. Amin'ny tsy fisian'ireo tendrombohitra mitandahatra manakana ny herin'ilay rivodoza eo anoloana, mikoriana mankany avaratra any Tokyo sy ny lemak'i Kanto ny rivotra mafana sy mando be alohan'ny hibahanan'ireo rindrin-tendrombohitra izay manodidina an'i Tokyo any avaratra azy.

Noho ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fiovàn'ny fandehan'ny rivotra, miangona ao Tokyo sy ny lemaky Kanto mivantana avy any atsimo sy ny ranomasimbe Pasifika misokatra, ny hamandoana be amin'ny toetrandro. Sary natambatr'i Nevin Thompson, avy amin'ny Wikipedia.
Ny vokatr'izany, dia ireo rivodoza izay lasa mihalehibe sy mihamahery tato anatin'ny taona vitsivitsy izay, vao mainka mahatonga tondradrano lehibe kokoa noho ny tamin'ny folo taona lasa izay.
Ho an'ny maro, nanimba zavatra betsaka ilay rivo-doza tamin'iny herinandro lasa iny, fa fotoana fakàna lesona ihany koa anefa ho an'ireo olona sasany. Nisy mpampiasa Twitter iray nanamarika fa ny olona tao amin'ny “2ch (“ni-chan”)”, toy ny Reddit sy 4chan ao Japana, dia namakafaka tamin'ny antsipirihany ireo karazana angidimby naseho tao amin'ny televiziôna nandritra ilay ezaka fanavotana nandritry ny loza.
2chで拾った誰かの労作だけど、今回常総水害に出動したヘリの画像。 pic.twitter.com/PyVflfODQw
— sf324929 (@sf324929) September 12, 2015
Natambatry ny olona iray tao amin'ny 2ch io, fa ireto ireo angidimby rehetra nanampy tamin'ny tondradrano tao Joso, Ibaraki.