Ny Central Television Ao Shina, Tantànan'ny Fanjakana, Voatsikera Noho Ny Fakàna Tàhaka Ny Asan'ny Mpaka Sary Iray

One of the shots taken from Wang Yuanzhong's Starry Tibet in CCTV's program. Screenshot from Wang's Weibo post.

Iray amin'ireo sary nalaina tamin'ny Starry Tibet an'i Wang Yuanzhong, tao amin'ny fandraharan'ny CCTV. Dikasary tamin'ny Lahatsoratra Weibo an'i Wang.

Voatsikera noho ny fakàna tàhaka ny asan'ny mpaka sary miasa ho an'ny tenany, ary noho ny valinteny feno tsy firahirahiana nataony ireo fitsikerana azy ny China Central Television (CCTV). Tsy vao voalohany izao no nandika hevitra  na asan'olon-kafa ho an'ny fandaharany ny CCTV tantànan'ny fanjakana. Raha tokony hijery ireo fiampangàna azy izy, niteny tamin'ny polisy indray ny CCTV mba hanadihady ilay mpaka sary noho ny fisolokiana, ary nosivanina sy nofoanana tsy ho hita ao amin'ny Aterineto intsony ireo tatitra eo an-toerana momba ilay fifanolànana momba ilay fakàna tàhaka asan'olona.

Ny 10 Septambra, Wang Yuanzong, mpaka sary miasa ho an'ny tenany ao Wuhan, faritanin'i Hubei, nitaraina tao amin'ny Weibo (sehatra mitovy amin'ny Twitter fa any Shina) fa nangalarin'ny fandaharan'i CCTV “The Beautiful Villages in China” (Ireo Tanàna Tsara Any Shina) ny asany amin'ny fakàna sary, “tsy nangatàhana fahazoan-dàlana avy aminy.”

Nitady ny hifandray haingana tamin'ny CCTV i Wang, kanefa vaka saina tamin'ny valintenin'izy ireo. Nihodinkodina tamin'ny resaka natao an-tariby fotsiny ilay olona nilaza ho “mpianatr'asa ao amin'ny CCTV”, tsy nety niteny valiny mahitsy tamin'ny fangatahany hahazo izay olona misahana ilay fandaharana. Nilaza mihitsy ilay “mpianatr'asa” hoe “Dia maninona raha nampiasa ny asanao ny CCTV [tsy nahazo fahazoan-dàlana], mieritreritra ve ianao fa tsy mety izany?”

Noraiketin'i Wang ho tahirim-peo ilay resaka an-telefona ary nampidiriny tao amin'ny lahatsoratra am-bilaogy, tamin'ny fanazavàna ho an'ireo mpamaky fa nàka tàhaka ny sary Starry Tibet (Tibet Feno Kintana) izay asany ny fandaharan'ny CCTV,  sary nalainy tany amin'ny toerana efatra samihafa tany Tibet ny taona 2013. Nandaniany andro maro ny fakàna ireo sary tena sarotra, izay nalaina tamin'ny toetrandro ratsy ary teny amin'ny toerana ambony hatrany amin'ny 5,000 kilometatra.


Araka ny filazalazan'i Wang azy:

但是我想说的是,我的素材都是拼了命吃了苦拍来的。而且在西藏一年时间,身体已经被搞垮了。最后却得到中国官方中央电视台这样的回应。我非常的伤心难过。

Ny tiako hambara dia hoe nandaniako hery betsaka ny asako. Niharatsy nandritra ny taona tany Tibet ny fahasalamako. Ary ankehitriny, nanome ahy valinteny sahala amin'izany, izay mahatonga ahy halahelo mafy ny CCTV ofisialin'i Shina.

Taorian'ireo fitadiavana fifampiraharahàna nataon'i Wang, tamin'ny antso an-telefaona, nanova ireo andinindininy afaka ahazoana azy ao amin'ny vohikala ofisialin'ilay fandaharana ny CCTV, nanomboka tamin'ny nomerao telefaona ka hatramin'ny adiresy imailaka.

Raha ny rariny no tokony hatao, ny fampitahorana no misy

Taty aoriana kelin'ny andron'iny ihany, nilaza tamin'ny Weibo-ny i Wang fa nampitahorin‘ireo mpiasan'ny CCTV izy, izy ireo izay nilaza fa handeha ho any amin'ny polisin'i Hubei ary hangataka azy ireo hanao fanadihadiana azy noho ny fiahiahiana “fisolokiana.” Nolavina ihany koa ny fangatahany hahazo vidin-kasasarana mitentina 250.000 yuan.

更新一下进展。今天上午,我和栏目通话,要求他们赔偿我素材使用费25000元,但是他们不是很愿意,并劝我不要把事情闹大,不然以后没法继续和央视合作了,但是他们不愿意而且告知会通知我湖北襄阳当地公安局调查我,是不是诈骗。。。。。

Fanavaozana ny fivoaran'ny raharaha. Io maraina io, niresaka tamin'ny mpiasan'ilay fandaharana aho ary nangataka RMB25.000 yuan (eo amin'ny 3920 dolara amerikana eo) ho vidin'ny fizakàmanana. Fa tsy vonona ny hanao izany izy ireo ary nandresy lahatra ahy ny tsy handefa amin'ny Aterineto ilay fifandirana raha tsy izany tsy ho afaka ny hiaraka hiasa amin'i CCTV intsony aho any aoriana. Nandà ny handoa izy ireo ary nilaza tamiko fa hanao fanadihadiana ahy noho ny fisolokiana ny polisin'i Hubei…

Araka ny hasehon‘ny fikaroham-baovao amin'ny Google, nisy ireo media teo an-toerana nitatitra momba ny olan'i Wang ary ny fikarakaràna tsy ara-drariny natao azy, fa toa nofafàna daholo tsy nisy fanazavana ireo tatitra rehetra, mamerina ny hoe “404 tsy hita” ny pejy nisy teo aloha taty anaty vohikala .

Namoaka fanazavana ny kaonty Weibo ofisialin'ny fandaharan'ny CCTV avy eo, izay niaikeny fa novidiana tamin'ny Taobao ny sary nampiasain'izy ireo tamin'ilay fampisehoana, Taobao izay vohikala fivarotana lehibe indrindra amin'ny Aterineto. Nilaza an'i Wang ilay fanambaràna, fa tsy nanambara kosa hoe ohatrinona ny vola haloan'izy ireo aminy.

Tsy fahampian'ny fahampafantarana ny fizakàmanana

Nisy mpampiasa Weibo iray nanome hevitra manatsara zavatra, izay miantso ny CCTV mba hifanaraka amin'ny Taobao mba hanamafy ny toeran'ny fizakàmanana any Shina:

如果真的是淘宝买的,那是不是有必要联合淘宝,把售卖此作品的人找出来,确认此人是不是王源宗授权的,如果不是,是不是应该彻查到底,给著作者一个完整的答复,把版权环境净化好,作为一个带头老大,起好模范作用。

Raha tena novidiana tokoa tao amin'ny Taobao ilay [sary], tokony hifanaraka amin'ny Taobao ny [CCTV] mba hitady ilay olona nivarotra ireo asa ireo, ary hanamarina hoe nanome fahazoan-dàlana io mpivarotra io ve i Wang Zongyuan? Raha toa ka tsia, tokony hanadihady ny [CCTV], hanome valina feno  [amin'ilay mpaka sary], ary hanatsara ny tontolon'ny fizakàmanana? Amin'ny maha-voalohany azy eo amin'ny indostria, tokony hanome ohatra [ny CCTV].

Na teo aza ny tsy fisian'ny valinkafatra misimisy kokoa avy tamin'ny CCTV, mbola mitazona ny fotokeviny ihany i Wang amin'ny fiarovana ny fizakàmanany. Ny andro taorian'ilay zava-nitranga, nitaraina izy fa in-efatra nohitsakitsahana ny fizakàmanany tato anatin'ny iray volana. Tafiditra amin'ireo mpanitsakitsaka ny Youku [iray amin'ireo vohikalanà lahatsary lehibe indrindra any Shina], Liaoning sy ny televiziôna Hunan, ary orinasa iray mpaka sarinà mariazy, izay samy nampiasa ny asa sariny daholo kanefa tsy nahazo alàlana avy taminy. Nilaza i Wang fa mikasa ny hametraka fitoriana an'ireo fikambanana efatra ireo noho ny fanitsakitsahana fizakàmanana.

Miainga avy any amin'ny fianarana ambony ka hatrany amin'ny fianarana tsotra ary ny faribolan'ny kanto ao Shina, lasa zava-niseho mihitatra be ny fakàna tàhaka ny asan'ny olon-kafa ary lasa fototry ny fitotongan'ny fientanentanan'ireo mpamorona. Mamorona zava-dratsy fanampiny ho an'i Shina izany, amin'ny maha-firenena iray azy izay mitolona hiala amin'ny hoe firenena mpaka tàhaka fotsiny mba lasa ho firenena mpamorona.

Ny taona 1990, na dia nandany ny lalànan'ny fizakàmanana aza ny Kaongresy Nasiônalin'ny Vahoakan'i Shina, matetika no lafo loatra ho an'ny olon-tsotra ny fiarovana tsara ny fizakàmanany. Mazàna no mahazo solon-kasasarana kely fotsiny ireo tratran'ny fakàna tàhaka ny asany, raha tsy mahavita mandoa ny saran'ny fitoriana izay lafo dia lafo kosa ny ankamaroan'izy ireny. Ny tantaran'i Wang no porofo ahitana fa ny olon-tsotra, izay nohitsakitsahan'ireo manampahefana ny fizakàmanany, dia matetika no eo amin'ny toerana tsy mahazo tombony.

Tao amin'ny lahatsoratny, miantso ny CCTV i Wang mba hampiakatra ny fanentanana momba ny  fizakàmanana ao aminy ary hanaiky ny lanja mavesatry ny fandraisana andraikitra amin'ny fampiasàna ny votoaty an'olon-kafa:

国内最大的电视台,最有权威的电视台。这样不尊重版权意识,这样不尊重原创者。那让我们这些努力摄影师,原创者哪里还能看到希望。那中国以后的原创者会越来越少。因为大家都失望透顶了。

Amin'ny maha mpanao jadona sy lehibe indrindra ilay televiziôna, raha tsy manaja ny fahampafantarana ny fizakàmanana sy ireo mpamorona voalohany ny [CCTV], ahoana no ahazoan'ireo mpaka sarintsika feno fisainana hahita fanantenana? Mety hihena be mihitsy ny isan'ireo mpamokatra votoaty satria samy mahatsapa ho diso fanantenana tanteraka ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.