Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Jolay, 2012

Tohin

Espaina: Tsy Voasakana Ny Hetsika An-dalambe

  23 Jolay 2012

Hatramin'ny nahatongavan'ny mpihady tao Madrid, izay nitokony ho fanoherana ny fampihenana hatramin'ny 63% ny tetibolan'ny sehatr'asandry zareo, tsy nitsahatra ny fihetsiketsehana nataon-dry zareo tao an-drenivohitra Espaniola. Mizara ny sary izahay.

Tohin

Espaina: Tsy Fifanarahana Taorian'ny Fanafoanan'ny Fitsarana Tampony Ny Fampidirana Ny Catalan

  21 Jolay 2012

Nibahan-toerana tanteraka tao amin'ny blogosphère ny adihevitra momba ny fiteny Catalogne, hatramin'ny fotoana nanafoanan'ny Fitsarana Faratampony Espaniola ny fampidirana ny fiteny ho an'ireo ankizy eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny enin-taona. Ampiasaina ny filonana amin'ny fiteny mba hanomezana antoka ny fahaiza-mifehy ny Catalan ho an'ireo manana tenin-dreny amin'ny fiteny hafa.

Tohin

Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika

  19 Jolay 2012

Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika mivantana avy any an'efitrano fitsaràna i @JeromeTaylor sy @TandemLaw.

Tohin

Espaina : Solombavam-Bahoaka Niteny Ratsy Ireo Tsy An'Asa An-Tapitrisa

  19 Jolay 2012

Eo am-pivorian'ny solombavam-bahoaka, Andrea Fabra dia nihiakiaka narahan'ny tehaka "¡qué se jodan!" (' 'asaivo mandeha mi.... any ry zareo !) tamin'ireo tsy an'asa espaniola an-tapitrisa tao aorian'ny nanambaràn'ny filohan'ny governemanta Mariano rajoy ny fepetra henjana mahakasika ny fanampiana sosialy ho an'ny tsy an'asa teo amin'ny tantaran'ny demokrasia espaniola.

Tohin

#TwitterEnCatalà Miteraka Bitsi-Pifaliana Sy Fankahalàna

  17 Jolay 2012

Ny 6 Jolay 2012, analiny ireo mpiondana aterineto miteny ny fiteny Catalan no nankalaza ny fahatongavan'ny fampiasana ny tenin'izy ireo eo amin'ny Twitter. Vetivety dia nanjary lohahevitra noresahana be tao Espaina ny tenifototra #twitterencatalà