Tantara mikasika ny Aotrisa
Matsiro sy marikivy
Raha efa nahatratra ny androm-piainanao ny anjara bitro sy atody sôkôlà mahafatifaty, dia ho tianao ity hevitra ity: Paska 2006 - Endrika MeatHenge. Tsy aloha loatra raha manomboka manomana ny taona manaraka, sa tsy izany?
Fifangaroan'ny Poizina Fitrandrahana Tsy Ara-dalàna sy Kolikoly, Mandravarava Ny Ala Antitra Indrindran'i Eorôpa
Asehon'ilay horonantsary fanadihadiana “Clear Cut Crime” ny vokatra misy poizina ateraky ny fifanenàn'ny fikapàna ala tsy ara-dalàna sy ireo politisiana ao Romania sy Okraina.
Namelona Indray Ny Realisma Sosialista Tsy Misy Ny Sosialisma Ny Antoko Mitondra Ao Makedonia
Nanambara ny fampitam-baovao tsy miankina iray fa nanao komandy sary hosodoko mihoatra ny 50 ny antoko eo amin'ny fitondrana ao amin'ity firenena ity.
Fiatoan'ireo Mpitsoa-ponenana Tao Amin'ny Fiantsonan'ny Fiarandalambin'ny Fanantenana Ao Vienne.
Jeritodika mikasika ny zava-nitranga tao amin'ny fiantsonan'ny fiaradalamby foibe ao Vienne ny volana Septambra teo, roa volana nisian'ny herisetra mahafaty nandosiran'ireo mpitsoa-ponenana maro mba ho any Beirota sy Parisy.
Iran: Voafafa Eo Amin'ny Sarin'ny Vaovao Ny Renin'ny Bilaogera Maty
Nahatonga fahatezerana mirehitra tany Iran ny filohan'ny Raharaham-bahinin'ny Vondrona Eoropeana rehefa nihaona tamin'ny mpikatroky ny zon'olombelona sy ny renin'ny bilaogera iray maty tao amin'ny Masoivohon'i Autriche tao Tehran.
Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10
Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.
Slovakia: Mpanjifa Kilasy Faharoa
Na dia mety hiandrandra vokatra avy amin'ny karazana iray hitovy kalitao manerantany aza ny mpanjifa, misy foana ny fahasamihafàna isam-paritra eo amin'ny kalitao sy ny vidiny, miankina amin'ny hoe novokarina ho an'ny mpanjifa ao Eraopa Andrefana na ho an'ireo any Eraopa Afovoany sy Atsinanana. Tibor Blazko mitatitra ireo fanehoankevitra avy amin'ireo Slovaky mpiondana aterineto tamin'ny fanadihadiana iray mikasika io olana io.