
Fihetsiketsehana ao Barcelone manohitra ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony. Sary avy amin'ny mpampiasa Twitter @jordiborras
Fanamarihana: Ireo tenifototra mifandraika amin'ny amin'ity lahatsoratra ity dia ireto avy #somescola sy #ANCat. #somescola mandika ny hoe #WeAreSchool, raha #ANCat kosa ho an'ny bitsika manohana ny fahaleovan-tena Catalan ao Espaina.
Indray mandeha indray, nibahan-toerana tanteraka tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny adihevitra momba ny fiteny Catalogne, taorian'ny didy noraisin'ny Fitsarana Tampony Espaniola tsy ela akory izay [cat] manafoana ny fampilonana fiteny ho an'ny ankizy eo anelanelan'ny telo ka hatramin'ny enin-taona. Lasi-panabeazana miantoka ny fifehezana ny teny Catalan ho an'ireo miteny tenin-dreny hafa ny fampilonana fiteny Catalan .
Mampiharihary ny fihetseham-po mavesatr'ireo olom-pirenena Catalogne avy aminà sehatra isan-karazany ny fanehoan-kevitra sasantsasany tamin'ny aterineto, ka naneho fa ny farany indrindra amin'ireo andianà tsikera nataon'ny Governemanta Espaniola ny fiteny Catalan ilay didy fanapahana, izay azo lazaina tena nanampy tokoa tamin'ny fiakaran'ny fanohanana ny fisintahana teny anivonon'ireo mpifidy. Tsindrin'i Querbosch tsara, ao amin'ny bilaoginy El Mont [cat], fa ny didin'ny Fitsarana Tampony dia tsy hanao afa tsy ny hanamafy ny mety hisian'ny fahaleovan-tena:
Així que ja poden començar a prohibir el Català, que així començarem més aviat a costruir l'Estat català.
Nanoratra ihany koa mikasika ilay raharaha i Ramon Farré, ao amin'ny bilaoginy, Coca de recapte [cat]:
Altre cop el Suprem torna a sentenciar en contra del català. Així de clar. Sense subterfugis. La sentència afegeix una nova càrrega a l’ús normal del català a l’aula. I de l’aula, a la societat.
Ankoatry ny bilaogy, dia nanokatra làlana hampitombo ny fahalinana tao amin'ny Twitter ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana, miaraka amin'ny tenifototra vaovao #somescola (#WeAreSchool), miaro ny fampiasàna ny fiteny any amin'ny sekoly Catalan:
@PerLaGarrotxa Recordem que la comunitat educativa està organitzada entorn a #SomEscola per defensar l'escola catalana. Més info: http://www.somescola.cat
@Nuriastorch Els resultats de les PAU demostren la igualtat de condicions en què hi arriben alumnes catalanoparlants i castellanoparlants #somescola
@assemblea No acatem la sentència!! No és el nostre tribunal, no és la nostra constitució! http://www.assemblea.cat #ANCat #somescola
@cupnacional “Només amb la independència dels Països Catalans podrem garantir el futur per la nostra llengua” http://ow.ly/bRwFn #somescola
Toa miara-dàlana amin'ny bilaogera Catalan sy mpibitsika maro ny hevitry ny vahoaka izay nampiseho hatezerana tamin'ilay didy. Ny fakàna ny fanehoan-kevitry ny vahoaka isan'ny akaiky indrindra [cat] nataon'ny Centre d'Estudis d'Opinó's (Ivon-toerana Fandalinana Fanehoan-kevitra) manmbara fa 51% n'ireo namaly no manohana ny fahaleovan-tenan'i Catalan, voalohany tao anatin'ny am-polotaonany izao no toy izao ny valintenin'ireo mpifidy.