Tantara mikasika ny Belzika
Manakaiky ireo mpitondra mpanao jadona ny filoha Aliyev
Tao anatin'ireo tranga rehetra ireo, vitan'ny governemanta Azerbaijani sy ny lehibeny ny nanatanteraka fifandraharahàna ara-bola mampiahiahy sy nametraka fifamatorana vaovao no sady namoritra ny fahalalahana
Mampitsangam-bolo ny mpandala ny mahazatra ny tantara maha-raimanandreny pengoay pelaka
Hatrany Aostralia ka hatrany Etazonia, sakanan'ny mpandala ny mahazatra ny fampidirana ny tantaran'ny pengoay pelaka any an-tsekoly sy tranomboky.
Nahatratra dokambarotra hiandany amin’ny Huawei ny orinasa mpanao fikarohana iray
Na dia tsy ampy aza ny valim-pikarohan’ny Graphika mba hahafahana manaporofo fa ny Huawei no tao ambadik’izao paikady izao, dia ireo mpiasany no anisan’ny nanaparitaka be indrindra ireo lahatsoratra navoakan’ireto kaonty fako ireto.
Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika
"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"
Ny Zava-misy Mahafadiranovan'ny ‘Amerikana Tsy Nahy’
"Ao amin'ity tontolo mahafadiranovana ity, mitàna toerana manokana ianao... Tsy Amerikana any ampitan-dranomasina ianao, tahaka ireo 9 tapitrisa hafa. Tsy mbola nanana finamanana na fifandraisana amin'ny manampahefana Amerikana ianao. Tsy manana taratasy Amerikana afa-tsy ny taratasy fanamarinam-piterahanao ianao.."
Diaben'ny Belza 10.000 Ho Fampanajana ny Zon'ny Mpifindramonina ao Bruxelles
Manohitra ny volavolan-dalàna mamela ny polisy hanao fisavana an-trano ikarohana ireo olona tsy manan-taratasy ny mpanao fihetsiketsehana, mitady ho zava-mahazatra loatra ny zavatra atahoran-dry zareo.
RDC, Belzika: Fihetsiketsehana Manohitra an'i Kabila
Ho fialohavana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ho atao amin'ny alahady 29 oktobra ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo, izay ahitana an'ireo mpifanandrina: Jean-Pierre Bemba sy Joseph Kabila, nisy fihetsiketsehana natao tany Bruxelles, Belzika tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ho fanohanana an'i Bemba saingy indrindra indrindra ho fanoherana an'i Kabila.
Mpanakanto Syriana Mamisavisa Ireo Mpitarika Matanjaka Erantany Ho Toy Ny Mpitsoa-ponenana Marefo
"Ireo mpitarika ireo no anisan'ny tompon'andraikitra tamin'ny fifindra-monin'ny Syriana. Angamba mety hahatsapa izy ireo hoe tahaka ny ahoana izany hoe marefo. "
Oniversite Belza Mandray Mpitsoa-ponenana
Manampy amin'ny fanombohana fandaharana ho an'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny Oniversite Afaka ao Bruxelles i Mohammed Salman, avy ao Syria.
Molenbeek, Zavamisy Mifaningotsingotra Ao Amin'ny Fiarahamonina Vasohan'ny Media
Ao afovoan'ny renivohitra Belza no misy an'i Molenbeek-Saint-Jean, fiarahamonina manana fidiram-bola ambany fandalovan'ireo voarohirohy ho nanatanteraka ny fanafihana tao Parisy sy ireo hetsika feno herisetra hafa.