Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Oktobra, 2016

29 Oktobra 2016

Taorian'ny Fahafatesan'ilay Pelaka Mpanakanto Malaza, Mitaky Ny Fitovian-jo Amin'ny Mariazy Ny Vondrona LGBT ao Taiwan

"Aza manarama mpivaro-bava ho an'ny "fitovian-jo ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT" fotsiny. Tsy misy dikany ny teny! Raha mbola tsy ampidirina ao anaty lalàna ny fanambadian'ny olona roa mitovy taovam-pananahana, midika tsinontsinona izany!"

27 Oktobra 2016

Eto Amin'Izao Tontolo Izao, Na Tsara Pasipaoro Isika … Na Tsia

Maneho tsy fankasitrahana ny fandavan'i Frantsa tsy hamela ireo mpitsoa-ponenana hiditra ao amin'ny fireneny i Amélie Jacques, bilaogera frantsay efa niaina tao Paris sy ny tanàna itatra manodidina azy, avy eo tany Roma, dia tany Ouagadougou ary ankehitriny ao Soweto miaraka amin'i Anthony sy ny zanany.

26 Oktobra 2016

Ratsy Endrika Kokoa Fa Tsy Mahafinaritra: Ny Fomba Fiasan'ny Fanjakana Holandey Manoloana ny Fomba Amam-panao Pete Mainty

Ny Tetezana - The Bridge

Mampiseho ny porofo fa misy fiantraikany ratsy ao Holandy ny fomban-drazana Pete Mainty, indrindra eo amin'ny tanora, saingy tsy mahavitra mamaha ny olana ny fanjakana Holandey.

19 Oktobra 2016

Iray amin'ireo Antoko Politika Manankarena Indrindra ao Eoropa No Mitondra Ny Iray amin'ireo Firenena Eoropeana Mahantra Indrindra

Fanadihadiana vao haingana nanambara fa ny antoko mpitantana ao aminy VMRO-DPMNE dia nahangon-karena maro kokoa miohatra amin'ireo namany any amin'ireo firenena manankarena indrindra ao amin'ny kaontinanta.

18 Oktobra 2016

“Ireo Gaulois Razantsika” Naverin'ireo Mpahay Tantara Sy Ny Karaiba

"Fony ianao 6 taona, rehefa mamaky boky hoe ny razanao dia Gaulois, ary manana volo mavo sy maso manga izy ireo ... Dia nihomehy fatratra izahay sy ny mpampianatra." Aimé Césaire

Tsiaro An’ i Biljana Garvanlieva, Makedoniana Mpamokatra Sarimihetsika Nanome Fitenenana Ho An'Ireo  Vehivavy Voahilikilika

"Ny handrava ny fiheverana ny vehivavy misy eto Makedonia no antony manosika ahy amin'ny maha-mpanoratra fanadihadiana ahy "

Politisiana Mahalala “Miasa Ho An'ireo Nifidy Azy” No Ezahan'ny Islandey Fidiana

Ny Tetezana - The Bridge

"Mety ho iray amin'ireo fandresena vitsy azon'ny fanovàna ny demaokrasia io amin'ity fifidianana ity—ary ho iray hanainga fanahy ny maro any rehetra any" ny fanentanan'ireo vahoaka ao Islandy mba hampiharana ny lalàm-panorenana novolavolain'ny vahoakany

11 Oktobra 2016

Manimba Tena Ny Antoko Sosialista Espaniola, Tantarain'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto

Mandalo ny olana henjana indrindra teo amin'ny tantarany ny Antoko Sosialistin'ny Mpiasa Espaniola, saingy ao amin'ny Twitter, faly sy ravo manao hanihany mandravarava ireo Espaniola mpisera.

06 Oktobra 2016

Manohy Ny Fitokonana ‘Alatsinainy Mainty’ Ireo Vehivavy ao Pôlônina Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fandraràna Ny Fanalan-jaza

Manao fihetsiketsehina aho androany satria tsy afaka hanaiky ny tolo-kevitra vaovao momba ny lalànan'ny fanalan-jaza ao Polonina. Raha miroso amin'izany ry zareo dia hanimba ny vatana, ny saina ary ny fanahin'ny vehivavy.

04 Oktobra 2016

“Alatsinainy Mainty” Fitokonana Faobe Nokarakarain'i Pôlônina Manohana Ny Fahazoa-Misafidy Manoloana ny Fandraràna Tanteraka Ny Fanalan-jaza

Tamin'ny 3 Oktobra, vehivavy Poloney maro no tsy namonjy ny asany ary nandao ny raharahany ireo vehivavy mpikarakara tokantrano .