Yemen: Fampirantiana “Yemen Avy Amin'ny Maso Tavoahangintsika”

Afrah Nasser, Yemenita mpanao gazety sady mpitoraka blaogy dia mampiasa ny fampielezam-baovao sosialy mba hanangonam-bola hanaovana fampirantiana sary any Stockholm, Soeda.

Ny tetiny dia ny hividy sary tsara kalitao avy amin'ireo mpaka sary Yemenita, izay naka ireo fotoan-dehibe tamin'ny tantaran'i Yemen amin'izao fotoana, hanofa toeram-pampirantiana any Stockholm, ary hampiseho ireo sary ireo.

Afrah dia nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook momba ilay fampirantiana, izay nomeny ny lohateny hoe: “Yemen Avy Amin'ny Maso Tavoahangintsika.”

Manoratra izy momba ny ezaka fanangonam-bola:

“Ity dia tetikasa iasàko ho an'ny sehatra fakàna sary any Yemen. Izy io dia fampirantiana sary aty Stockholm momba an'i Yemen avy amin'ireo mpaka sary Yemenita. Mampiasa vohikala fandrotsaham-bola madinika aho mba hanangonana ireo vola. Raha ny marina dia IANAREO no afaka hanao ity ho tanteraka. Tsy misy vola kely atao maivan-danja izany. Mety hanova zavatra be ny 5 euros. Mba tohano ny fampirantiana sy ireo mpaka sary Yemenita.”

Jereo ity lahatsary ity nataon'ilay mpitoraka bilaogy mahery fo, sy ny rakitra momba ny tetikasa fanomezam-bola ao amin'ny Ulule.

Ny hevitra dia ny hanangona vola hanaovana fampirantiana hanairana ny saina momba an'i Yemen sy hanohanana ireo mpaka sary Yemenita vao misandratra. Afrah dia miantso ireo mpitsidika mba hanampy azy hanatanteraka ity fampirantiana ity.

Manohy Afrah:

Mihevitra aho fa tena mavesa-danja ity fampirantiana ity satria hanasongadina ireo endrika samihafa an'i Yemen ireo mpaka sary Yemenita izay tsy afaka mampita ny hafany amin'izao tontolo izao araka izay iriany. Ankoatr'izay, satria Yemen mandalo fotoan-tsarotra izao, dia endrika fanohanana azy ihany koa izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.