Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Febroary, 2013
Maxima Zorreguieta, Ilay Arzantina Ho Lasa Mpanjakavavy Hitondra An'i Nederlandy
Anton-dresaka fankalaza sy bitsika ho an'ny Arzantina ny fialàn'ny Mpanjakavavin'i Nederlandy Beatrix teo amin'ny toeram-boninahitra, ary koa satria ho lasa Mpanjakan'ny tanin'i Nederlandy i Máxima Zorreguieta.
Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”
Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali. Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka Raha ny marina, dia...
Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy
Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.
Espaina : Fandresena eny an-kianja sy amin'ny Aterineto Ho Fanoherana ny Fandroahana
Vitan'ny Sehatr'ireo Lasibatry ny Fanaovana Antoka (PAH), niaraka tamin'ny hetsika ara-tsosialy goavana ny nampanovan'ny Kongresy ny lalàna momba ny fanaovana antoka espainola. Resy tosiky ny vahoaka, nifandamina tao amin'ny fanentanana an-tserasera, #ILPescrache, nataon'ny PAH ihany ny Antokom-Bahoaka.
Fahatafintohinana Manoloana ny Kolikoly Lalina eo amin'ny Politisiana ao Espaina
Ahitana trangan-javatra lalindalina [matotra] kokoa tahaka ny filazana fa misy karama ambany latabatra omena ny mpikambana sasany ao amin'ny Antokom-Bahoaka (PP) [es] izay antoko mitondra ao Espaina, ny famotorana momba ny...
“Atsangano ny Tanana! Fangalarana izao!”: Mitohy ny Hetsi-Panoherana ao Espaina
Nidina maro an-dalambe hampiseho ny fahatezerany indray ny Madrileños tamin'ny faran'ny herinandro teo noho ny fiheverana ny Praiminisitra Mariano Rajoy ho nanao kolikoly. Mizara ny sary nopihany i Anna Williams
Espaina: Misampotina Mankany Aminy ny Ataon'ny Governemanta
Sempotry ny « onja » maro loko ny governemanta espaniola : ny “onja maitso” an'ireo mpampianatra, mpianatra sy ray aman-dreny tsy manaiky ny fampihenana ny teti-bola sy ny fanitsiana amin’ny fampianarana, ny « onja mainty” an’ireo...