Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya.
Ny Mau Mau dia vondrona mpanohitra ny voanjo ary notarihan'i Dedan Kimathi, izay tafiditra tamin'ny fifandonana ara-tafika iray nanoherana ny Britanika teo anelanelan'ny 1952 sy 1960.
Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha, eo ambanin'ny tenifototra #MauMau:
@hellenotii: Araho ny #MauMau mandritra fanavaozam-baovaon'ny andro faha-2 amin'ny fitsaràna. Kenyana 3 mpitory (1 efa maty) miampanga fanitsakitsahana zon'olombelona #humanrights nataon'ny tafika Britanika. #ajstream #kenya
@CapitalFM_kenya: #Raila miteny fa hamatsy vola ireo bekotro maroholatra #MauMau ny govt amin'ny raharaha ifanolanany amin'ny Royaume-Uni. Nanomboka ny Alatsinainy ny fitsarana tao amin'ny Royal Courts of Justice ao Londona.
@rowenanews: “Bravo” ho an'ireo Kenyana manery ny Royaume-Uni hiatrika ny heloka vitany tamin'ny fanandevozana #maumau http://www.independent.co.uk/news/world/africa/in-a-british-court-after-60-years–the-elderly-kenyans-asking-for-justice-at-last-7946671.html (‘manoloana ny fitsarana britanika 60 taona aty aoriana angatahan'ireo zokiolona Kenyana ny rariny’)
@fatimamanji: Dia mampivanàka ny mahita ny fomba fandrakofan'ny gazety Britanika ny raharaha #MauMau ary ny fanehoan-kevitra teraka avy amin'izany.
@LindseyAGerman: Firaisankina amin'ireo Kenyana #MauMau mikatsaka ny rariny ao amin'ny Fitsarana Ambony noho ny habibiana nataon'ny Britanika tany amin'ny taona 50. Antenainy ny mba handresen'izy ireo taorian'izay taona maro izay.
@JeromeTaylor avy amin'ny gazety ‘TheIndependent’ mibitsika mivantana avy ao an'efitrano fitsarana:
@JeromeTaylor: Manara-maso akaiky ny raharaha Mau Mau ny Kenyana. Matetika no mampianatra zon'olombelona an'i Afrika i Grande Bretagne no sady mody tsy mahalala ny zava-tafahoatra vitany tamin'ny lasa.
@JeromeTaylor: Noteren'ny ‘administratera voanjo’ tamin'izany fotoana, Mr Whitehouse, hiantso azy hoe “The God of Lodwar”, na ‘Ny Andriamanitr'i Lodwar’ ireo mpifonja tao amin'ny fonjan'i Lodwar hoy i Mr Nyingi #MauMau
@JeromeTaylor: Mr Nyingi milaza fa “mbola ratsy kokoa” ny fitondra ireo #MauMau taorian'ny fahaleovantena. “Toy ny mbola migadra hatrany izahay…tsy navela hiteny an-kalalahana velively izahay”
@JeromeTaylor: Mr Nyingi dia nosamborina ny Desambra '52 & notànana nandritra ny 9 taona. “Nodarohan'ireo Afrikana natao hiambina azy sy ireo miaramila Eoropeana” izy #MauMau
@JeromeTaylor: Ao anatin'ny fanambaràny amin'ny maha-vavolombelona azy dia miteny Ing. Nzili fa novosirina tao amin'ny toby fihazonana tao Embakasi izy. Hitany koa ireo hafa novosirina toa azy. #MauMau
@JeromeTaylor: Ao anatin'ny fanambaràny amin'ny maha-vavolombelona azy, i Jane Muthoni Mara dia niharan'ny habibiana sy fanolanana tany amin'ny Foibe Fitiliana any Gatithi #MauMau
@TandemLaw mibitsika mivantana :
@TandemLaw: Nisintaka mba hisakafo ny fitsaràna. Niverina tamin'ny 2:00 tolakandro GMT. #HumanRights #Kenya Araho MIVANTANA ny bitsika avy ao amin'ny Fitsarana Ambony momba ny raharaha #MauMau
@TandemLaw: GM – Tsy mandà ny hirifiry nahazo ireo mpitory & ny fomba ratsy nitondràna azy ireo nandritra ny fanandevozana ny governemanta britanika #MauMau #Kenya
@TandemLaw: Hatreto i Guy Mansfield avy amin'ny fiarovana fa tsy mbola voaresaka ny ratra nanjo ary tsy mbola nanontaniana mikasika izany ireo mpitory.
Araho ny bitsika Twitter mivantana, fanavaozam-baovao ampiasàna ny tenifototra #MauMau.