Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2009

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Desambra, 2009

28 Desambra 2009

Danemarka: Miàla any ireo mpitaky hetran'ny toetr'andro

Ny mpitaky hetran'ny toetr'andro dia vondron'olona avy any Danemarka sy Afrika izay manao fanamby ny fitakiana amin'ireo firenena vaventy ny handoavan'izy ireny ny hetran'ny toetr'andro amin'ireo firenena an-dàlam-pivoarana.

12 Desambra 2009

Adihevitra mikasika ny fiavaham-pirenena frantsay

Hatramin'ny fiandohany dia efa nahazo tsikera mivaivay na mandritra ny fotoam-pivoriana na amin'ny aterineto ny dihevitra natsangan'ny fitondrana momba ny “Identité Nationale” na fiavaham-pirenena. Namoaka “topimaso” momba ny vohikala ofisialin'ny fitondrana frantsay debatidentitenationale.fr [Fr] tamin'ny 2 novambra lasa teo ny vohikalan'ny Vaomiera mpanara-maso ny adihevitra debatpublic.net, izay natsangana ihany koa ny...

07 Desambra 2009

Frantsa: Andro tsy misy mpiavy

Maro amin'ny mpanara-maso sy mpikatroka ny politika frantsay no miahiahy tetika hafahafa ao ambadiky ny adi-hevitra momba ny “identité nationale na fiavaham-pirenena” izay natsangan'ny filoha Nicolas Sarkozy sy ny Minisitry ny fifindra-monina, fampanazarana, fiavaham-pirenena ary ny fampandrosoana miray hina [Fr], Atoa Eric Besson. Nampiandraiketina tamin'ny prefe solontenan'ny fanjakana eny anivom-bahoaka...

04 Desambra 2009

Tontolo Arabo: hevitra nanoloana ny fandrarana minaret any Soisa

Nanaiky ny handrarana minaret vaovao [tilikambon'ny moske silamo] tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady 29 Novambra lasa teo ny 57,5%-n'ny mpifidy Soisa, izay manori-dalana ho amin'ny fanitsiana ny Lalampanorenana. Any amin'ny fananganana tilikambo silamo vaovao – fa tsy ny moske – moa no iantefan'ity fitsapa-kevi-bahoaka ity fa tsy any amin'ny tilikambo...

01 Desambra 2009

Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany

Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiato ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.