Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Aogositra, 2016
Rehefa Tsy Manadino Velively Ny Fanafihana Tany Frantsa, Miezaha Koa Mahatsiaro ireo Mahery Fo
Mitodika any amin'ny ireo tantara feno herim-po nandritra ny fanafihana faobe farany tao amin'ny tany Frantsay ny Global Voices.
Mitantara ny Tantaran'ny Fianakaviana Zeca Afonso Tao Timor Atsinanana Nandritra Ny Ady Lehibe Faharoa i “Rosas de Ermera”
Nogadrain'ny tafika Japoney tao Timor ny fianakavian'ilay mpihira Zeca Afonso nandritra ny ady lehibe faharoa. Vao nivoaka ho boky ity tantara notazonin'ny fianakaviana ho tsiambaratelo ity ary hivadika ho lahatsary fahadihadiana tsy ho ela.
‘Mpisatroka Fotsy’ ao Siria Nanavotra Aina Maro, Voatondro Hahazo Ny “Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana”
Ao anatinà fifandirana izay maro loatra no nisafidy ny herisetra, mifoha isanandro ireo Mpisatroka Fotsy mba hamonjy ireo aina ezahan'ireo hafa alaina mafy
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria

Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.
Nice: Miatrika ny Herisetran'ny Zava-nitranga
Tsy hoe fanomezan-tsiny ireo silamo mihitsy ny resaka, izay zakain'ireo mpino sasany ny tsy fitiavana feno fankahalàna silamo izay iadiana tsy an-kitsitsy. Fa resaka fanipihana hoe misy ady ara-ideolojika ao anatin'ny silamo, ka tsy mila ho maro an'isa akory ireo mahery fihetsika, mba ho mpanimba zavatra