Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2016

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Mey, 2016

31 Mey 2016

Mpanoratra Angoley Ondjaki Nahazo Voalohany Tamin'ny Lokan'ny Literatiora Tany Frantsa

Nahazo ny loka literatiora tany Frantsa, tamin'ny boky "Os transparentes" [Ny Mangarahara] nivoaka tamin'ny 2012 izay efa nahazo ny Lokan'ny mpanoratra literatiora José Saramago, herintaona taorian'ny namoahana azy (2013) ihany koa ny mpanoratra Angoley Ondjaki.

30 Mey 2016

Fihaonan'i Meksika Amin'Izao Tontolo Izao Mandritra Ny Fetin'ny Kolontsaina Sakaiza

Firenena 90 no mitanjozotra mankao Zócalo ao an-tanànan'i México. Nasaina manokana tamin'izany i Frantsa.

27 Mey 2016

Tantara iray Momba Ireo ‘Olona Tsy Fantatra Anarana izay Miaina, Mitia, Manohitra Sy Miady’ Ho An'i Syria

"Kely no mba rentsika momba ireo izay manohitra, manorina ary manangana indray ny firenena, ao anaty vanimpotoana miha-sarotra," hoy ilay mpikatroka, mpanao gazety, sady mpanoratra ho an'ny Global Voices, Leila Nachawati Rego momba ilay tantara vaovao nosoratany

25 Mey 2016

Toeram-pitsaharana Iray Kintana Telo Ao Athens Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana Ela Nijaliana

Tena dia naharitra ela sy nampidi-doza no niainany, hany ka fitaka no tao an'eritreritr'i Ali Jaffari voalohany raha nanome azy efitrano tao amin'ny Hotely iray Kintana Telo tao Athens ho an'ny fianakaviany ny namana Grika iray.

Voasivana Ao Madagasikara, Mamiratra Any Eoropa Ilay Tarika Mpiangaly Gadona Rock-mpanoherana “The Dizzy Brains”

Ny fisandratana tsy hay tohaina ho an'ilay tarika mpiangaly rock avy any Madagasikara: The Dizzy Brains. Ivereno iainana ireo fotoana 3 nanamarika ny fahombiazany.

22 Mey 2016

Ny Fiparitahan'ny Solika Ao Amin'ny Ranomasina Adriatika No Hitamason'ny Voina Voajanahary Mihamahazo Vahana

Tsy fetezam-pitaovana ao amin'ny fanadiovana solika no niteraka ny fiparitahan'ny solika tsy voadio tamin'ny manamorona ny ranomasina Adriatika tao Croatia tamin'ny herinandro, niteraka fahasimbana tamin'ny tontolo iainana sy nampikoropaka ny mponina tao an-toerana.

Ahoana No Nahavitan'ny Mpampiana-Tena Iray Ho Mpandika Lahatsoratra Sanganasa Ara-Literatiora Iray Amin'ny Voambolana Iray Anatin'ny Fotoana Iray

Vao enintaona monja izay no nianaran'i Deborah Smith teny Koreana. Vao nahazo ny loka iraisampirenena Man Booker eo amin'ny tantara foronina ny dikandahatsoratry ny bokin'i Han Kang mitondra ny lohateny hoe "Ilay Vezetariana".

10 Mey 2016

Ny Tantara Lava Mikasika ny Nosy Grika Iray Nanafoana Vonjimaika ny ‘Adin'ny Bala Afomanga’ Rehefa Paska

"Zava-doza avokoa ny zavatra rehetra rehefa tsy miomana tsara ianao. Rehefa niomana ianao ary nandray tsara ireo fepetra mifanaraka amin'izany, mihena ny loza."

08 Mey 2016

Kihon-dàlana Toy Ny Hoe Italia Kely Ao Buenos Aires

Amin'ny fomba samihafa no anehoan'ireo Italaiana-Arzantina ny lovany ara-kolontsaina. Ao anatin'ny fetibe "Piccola Italia" fanaon'i Buenos Aires isantaona, ankalazàna ny Andro maha-Italiana ao amin'ilay firenena ny "Al Dente!"

06 Mey 2016

Mitsikera Mafy An'i Shina Noho ny Fanjavonan'ireo Mpivaro-boky ao Hong Kong Ny Vondrona Eoropeana

"Ahitana fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra ny raharaha fanjavonan'ireo mpivaro-boky tao Hong Kong ary miteraka fanahiana goavana amin'ny tany tan-dalàna eo ambanin'ny rafitra "firenena iray, rafitra roa..."