Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Mey, 2012
Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL
Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .
Espana : Ireo “Tezitra” Mpandàla ny 15M
Zarainay ato ny sarin'i Karlos, Mari Ángeles, Miguel Ángel ary Josep Maria, izay noho ny antony maro samihafa, dia nandray anjara tamin'ilay hetsika ara-tsosialy 15M tao Barcelona, Espana.
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum
Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny forum ny endrika fanta-daza manerantany...
Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy
Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay...
Gresy: Mitombo Ny Herisetra Ataon'ny Polisy Amin'ireo Mpifindra Monina
Ambony ambany ny media sosialy Grika taorian'ny lahatsary iray nakarina tao amin'ny Facebook sy Twitter, nampiseho ireo manampahefana avy amin'ny polisy nanao tsinontsinona ampahibe-maso mpifindra-monina iray voatàna am-ponja tao an-tanànan'i Athenes.. Mihanaka ao Gresy ny herisetra noho ny fanavakavahana sady amin'ny taha mampivarahontsana tato anatin'ny taona vitsy, raha mbola miantona kosa ny fanavaozana ara-pitantanana nampanantenaina.
Espaina: Mivelatra Ihany Koa Ny Zavakanto Ao Amin'ny Lohataona Ankapobe
Ny 12 Mey (12M) ka hatramin'ny 15 Mey (15M) [es], Miaina hetsika sosialy eny an-dalambe hanoherana ny fifehezan'ny banky sy hitaky ny isian'ny rafitra demokratika, andraisan'ny besinimaro ary [salama] mety kokoa...
Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina
Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manotany teny ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany, anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy.
Fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny “International Relations and Security Network” (ISN)
Nifanaiky hiara-hiasa ny Global Voices sy ny International Relations and Security Network (Orinasam-Piarovana sy Fifandraisana Iraisampirenena), mba hampahafantatra ny hevitry ny olona mikasika ny fifandraisana iraisam-pirenena sy ny fandriampahalemana manerana...
Frantsa : Fihetseham-po An-tsary ny Valim-Pifidianana Filoham-Pirenena
Nivoaka ny valim-pifidianana ny filoham-pirenena frantsay 2012, ny fahafolo nandritra ny Repoblika fahadimy ny 6 mey 2012. Tamin'ny fifidianana fiodinana voalohany 22 avrily, nitarika i François Hollande ka teo alohan'i...
Best of the Blogs 2012: Nambara Ireo Mpandresy
Tapaka ary fantatra ny mpandresy mahazo loka Best of the Blogs - the BOBs [Bilaogy Tsara Indrindra] rehefa nandalo fifidianana iray volana sy fifandresen-dahatra teo amin'ny samy mpitsara.