Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Septambra, 2018

27 Septambra 2018

Nisokatra ny fisoratana anarana tamin'ny loka ‘Best of the Blogs’ (Bilaogy Tsara Indrindra)

Nikarakara ny fifaninanana iraisam-pirenena fanao isan-taona fahaenina amin'ny loka Bilaogy Tsara Indrindra 'BOBs' ny Deutsche Welle. Tamin'ity taona ity dia nisy loka vaovao ho an'ireo bilaogera tsara indrindra niresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny sokajy vaovao ho an'ny fiteny Bangla (Bengali) ihany koa.

26 Septambra 2018

Mizaka “enta-mavesatra roa” ireo mpikatroka am-pielezana nikaragoiana

Sarotra ny fikatrohana ara-politika sy ara-pihetsehampon'ny fikatrohana am-pielezana: "Ny fahazoana vaovao voalohany dia midika koa fahatsapana izany voalohany."

24 Septambra 2018

Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa

Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny "S" io - sahala amin'ny ao anatin'ny hoe "Obama dia Sosialista". [...] Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray...

22 Septambra 2018

Raha niezaka nampianatra ny Alemà momba ny Nazisma ny Breziliana sasany, ny hafa kosa niala tsiny tamim-pahamenarana

Nandritra ny taona vitsy lasa, nanjary malaza tany Brezila ny manamafy fa ankavia i Adolf Hitler sy ny antokony Nazi; Mifototra amin'ny zava-misy tsotra sy mazava ara-bakiteny ny hevitra fa ny dikan'ny anarana fenon'ny antokony dia hoe "Antoko Sosialista Nasionalin'ny Mpiasa. Ary ny "sosialista" dia mitovy amin'ny hoe ankavia, marina ve...

13 Septambra 2018

Dian'ireo mpanivana: Manao famoretana amin'ny fahalalaham-pitenenana i Frantsa, Torkia sy Shina

Tapa-bolana lasa izay, nampitandrina ny amin'izay antsoiny hoe "fampanjakana miandalana ny Berlusconi eo amin'ny media Frantsay sy ny loza mitatao manoloana ny fipoiran'i Nicolas Sarkozy, minisitry ny atitany Frantsay sady filohan'ny antoko mpandala ny nentin-drazana amin'ny fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena ny blaogy Frantsay AgoraVox, iray amin'ireo bilaogy mediam-bahoaka Eoropeana malaza.

12 Septambra 2018

Manohana Blaogy Afrikana Ny BBC

Hatry ny ela ny BBC no efa mamporisika an'ireo mpamaky sy ireo mpihaino ny tolotra omeny an'i Afrika mba hiresaka ny fomba fijerin-dry zareo mikasika io tanibe io, amin'ny alalan'ny famakiana lahatsoratra

09 Septambra 2018

Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa

Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana...

02 Septambra 2018

“Minisitera Vaovao Ao Frantsa Hisahana Ny Fitiavan-Tanindrazana Sy Ny Fandroahana

Tsy tian'ilay Blaogera miteny Frantsay "Et Si Nous Parlions" mihitsy ilay Ministera vaovao napetraky ny Filoha Nicolas Sarkozy hisahana ny Fifindramonina, ny Fampidirana, ny maripamantarana ny firenena, ary ny fiaraha-mivoatra. Ka aleony antsoina hoe "Ministeran'ny Fitiavan-tanindrazana sy ny Fandroahana"" (Fr).