Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Marsa, 2015
Netizen Report: Taokanto, Firaisana Ara-nofo Ary Ny Habaka Sosialy

Miatrika sivana ao amin'ny Facebook ny mpanao zavakanto ary arangarangan'ny Loholona Amerikana, Ron Wyden, fa indraindray dia tena midika fanaraha-maso mihitsy ny "cybersecurity" (fiarovana ny tontolon'ny habaka).
Ampitadiavana ‘Mpanao Gazety Sahisahy’ ao Espaina Hanadihady ny Dinam-Barotra TTIP
Mampanahy ireo vondron'olona manohitra ny Fiaraha-Miasa ara-Barotra sy ara-Pampiasambola Manerana an'i Atlantika ny tsy fisian'ny mangarahara. Misy noho izany ny antenimieram-bahoaka iray ao Madrid mitady ny mpanao gazety mba hanao fanadihadiana.
Fifanakalozan-kevitra Momba Ny Fifandraisana — Fa Tsy Fiovàna Politika — Ao Iran

Angonin'i Iran ireo manampahaizana momba ny aternieto mba hiresaka mikasika ny fomba mora hahafahan'ny Iraniana hanana fidirana amin'ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny fampahalalam-baovao, izay mampifandray ny Iraniana samy Iraniana, ary amin'izao tontolo izao.
Takian'ny Italiana Sasany Amin'ireo Mpitarika Azy Miteny Anglisy Ny Hoe ‘Lazao Amin'ny Teny Italiana’
Tia mampiasa teny fehezanteny Anglisy ny praiminisitra ao Italia hamaritany ireo fanavaozana kasainy hatao. Niteraka fifanentanana hitakiana ireo politisiana izany mba "hilaza azy amin'ny teny Italiana."