Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Septambra, 2015
‘Antso Ho Amin'ny Fitiavana Sy Fangorahana’: Tian'ny Ben'ny Tanànan'i Barselona Raha Mba Mandray Mpitsoa-ponenana Ireo Tanàndehibe Ao Espaina
Taorian'ny nampalaza be tao amin'ny Aterineto ny fanehoankevitra iray nataon'ilay ben'ny tanànan'i Barselona, Ada Colau tao amin'ny Facebook, lasa drafitry ny tany tontolo ny hamorona tambajotranà tanàna fialokalofana ao anatin'ny kirizin'ny mpitsoa-ponenana ao Eorôpa
“Eto Izahay Manohana Anao”: Holandey Mandray Mpitsoa-ponenana
Nitambatra ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Gara Afovoany ao Amsterdam mba handray sy hanohana ny fahatongavan'ny mpitsoa-ponenana. "Ny tsy nampoiziko hoy i Faten Busheri nanoratra dia ireo tantara nolazain'izy ireo tamiko."
Sariitatry Ny Charlie Hebdo Momba An'i Aylan Kurdi, Miteraka Andiana Adihevitra iray Hafa
Adihevitra iray vaovao indray momba ny fahalalahana maneho hevitra no nateraky ny sariitatra farany navoakan'ilay gazetiboky frantsay mpanaraby, momba ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy an'i Aylan Kurdi, ilay zazakely siriana maty an-drano .
Netizen Report: Miteraka Fitiavana Sy Fankahalana Amin'ny Aterineto Ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana
Ao Hongria, Serbia sy Alemaina, nandray fepetra tamin'ny fanomezana finday, fahana, sy fidirana amin'ny Wifi ho an'ireo mpitsoa-ponenana ny mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana.
Inona No Iraisan'ny Hetsi-panoheran'ny Mpamily Fiarakaretsaka Ao Lisbonne Sy Jakartà ? Uber!
Manao fanamby hametraka ny fotokeviny momba ny fandraharahana amin'ny fiarakaretsaka manerana izao tontolo izao ny Uber. Tena henjana ny fanehoankevitr'ireo Portiogey mpamily fiarakaretsaka : amin'ny fanaovana hetsi-panoherana. Ny mitovy amin'izany no mitranga ao Indonezia.
Mahatsiaro Ny Doro Tanàna Goavana Tao Smyrna, 93 Taona Lasa
Sokajiana ho ratsy indrindra teo amin'ny tantaran'i Gresy maoderina, ny voina tao Smyrna, ary nampitsahatra ny fifandraisan'ny Grika-Tiorka ampolony taona vitsivitsy ny nanjò ny mpitsoa-ponenana.
Mahazo Fandrahonana Ho Faty Avy Amin'Ireo ‘Mpiambina ny Jihad’ Ireo Mpanao Gazety Mpitatitra Ao Mali
Mandrahona hamono ireo mpanao gazety miasa ho an'ny media vahiny izay mitatitra mikasika an'i Mali ny vondrona mpitolona iray .
Aotrisiana Sy Alemà An-jatony Miarahaba Tonga Soa Ireo Mpitsoa-Ponenana Avy Any Hongria
Amin'ny tehaka no andraisan'ireo Aotrisiana sy Alemà izay mitondra, tsy ny hatsaram-panahiny ihany, fa mitondra sakafo, rano madio mahasalama ary kilalao ihany koa ao amin'ny gara ireo mpitsoa-ponenana mamakivaky an'i Aotrisy ho any Alemaina.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...