Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Marsa, 2016
Amin'Ity Paska Ity, Dimbiasin'ny Fandrefesana Famindram-po Ny Fomba Efa Tranainy Ao Espaina
Maro ny mpitsara espaniola no mihevitra fa tsy azo hamarinina ao amin'ny rafitra ara-pitsarana ankehitriny ny famotsoran-keloka, ary tokony ho avaozina tanteraka, raha toa ka tsy foana tanteraka.
Fiaramanidina EgyptAir Ho Any Kairo Naodina Nakany Sipra
Piratim-piaramanidina iray no voalaza fa nanodina an-keriny ny sidina Egypt Air teny an-dàlana avy any Alexandria ho anyKairo, ary nanery ilay sidina tokony hiodina ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca tany Sipra rehefa nilaza izy fa mitondra fehin-kibo mety mipoaka eny aminy
Tapitra Ny Fakàna An-keriny Ny EgyptAir ; Votsotra Daholo Ny Mpandeha
"Ela ny ela ka afaka isika hankalaza ny Arabo voalohany mpaka ankeriny nambara ho tsy mpampihorohoro, fa olona tsy milamina ara-tsaina. :) #EgyptAir," hoy ny bitsik'i Patrick Baz.
Rehefa Betsaka Mpiady Avy Any Ivelany Loatra Ny Tanàna Syriana Ka Lasa Fiteny Mahazatra Ny Teny Anglisy Sy Alemàna
Feno mponina mpiady avy any ivelany maro loatra i Manbij ka ankehitriny lasa fiteny mahazatra ao amin'ilay tanàna kely ny teny Anglisy sy Alemàna.
Ny Sanda Tsy Lazaina Anao Rehefa Miditra Aterineto Ao Espaina : Ny Aretin-tsainao

Mitambatra ho herinandro ireo andro iandrasana ny fametrahana ny aterineto. Mahatsapa mangidy ianao. Mahatsapa tsy manana hery. Karohanao ao amin'ny google ny hoe “Kafkaesque”.
Oniversite Belza Mandray Mpitsoa-ponenana
Manampy amin'ny fanombohana fandaharana ho an'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny Oniversite Afaka ao Bruxelles i Mohammed Salman, avy ao Syria.
Amnesty International : “Tsy Entambarotra Ny Mpitsoaponenana”
Heverin'ny Amnesty International ho "tsy mataho-tody, lozabe ary fitondrantena tsy mendrika" ilay volavolam-pifanarahana ifanaovan'ny Fiombonambe Eoropeana sy Tiorkia. "Olombelona, fa tsy entambarotra" no resahana eto
Tsy Kamiao Mpitondra Sakafo io. Fa Lakozia Afaka Mandehandeha izay Mamahana Mpitsoa-ponenana Manerana an'i Eoropa.
Nampitaovan'i Ghafoor Hussain ho lasa lakozia misy kodiarana ny fiara lehibe iray fitateram-bahoaka mba hanomezana sakafo mafana ny mpitsoa-ponenana.
Mifampiraharaha Amin'i Eoropa i Tiorkia Mba Tsy Handraisany Mpitsoa-ponenana
"Ny ahiahin'i Eoropa tsy mandeha afa-tsy ny mankany amin'ny fiarovana ny sisintaniny any ivelany sy ny fitazonana ny olona ho ao anatin'i Tiorkia – tsy manome vintana ny olona marefo sy ireo ankizy mandositra ny ady sy ny fanaovana antsojay ireo izay mba hitady fialofana any Eoropa..."
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana

Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.