Mali: Loha Mitraka No Entin'ireo Atleta Miatrika Lalao Olaimpika Any Londona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika 2012 ao Londona.

Miatrika fanamby maro samihafa i Mali tato anatin'ny volana vitsy. Tafiditra tanaty olana ara-politika izay atahorana hizara azy ho roa ity firenena ity, ary niaritra zava-doza tamin'ny lafiny maha-olona, izay nahatonga olona an-tapitrisa ho tandindonin-doza noho ny tsy fahampian-tsakafo ateraky ny haintany sy ny fanafiham-balàla.

Na teo aza ny ady, nahavita nanamarika teboka iray ihany i Mali tamin'ny fandefasana delegasiona mafonja hiatrika ny Lalao Olaimpika any Londona. Ny eritreritra dia ny mba hisoloan'ireo atleta tena an'i Mali amim-pahamendrehana ary hanehoana fa misy endrika hafa ananan'ny firenena Maliana na dia misy aza ny olana amin'izao fotoana. Ny filohan'ny CNOSM (Kaomity Olaimpika Maliana) Habib Sissoko nanambara hoe [fr]:

Beaucoup de gens pensaient que le Mali allait être absent à Londres à cause de la situation politique et sécuritaire qui prévaut dans notre pays depuis le début de l’ année. Nous serons bel et bien présents à Londres et notre objectif est de prouver au monde que malgré les difficultés, notre pays reste débout. Le gouvernement a consenti un énorme sacrifice financier pour permettre au Mali d’ être présent à ce prestigieux rendez-vous sportif et olympique. Ce sera une opportunité d’ acquérir surtout de l’ expérience dans leur carrière.

Marobe ny olona no nihevitra fa Mali dia mety tsy ho hita amin'ireo Lalao any Londona noho ny zava-misy tsy mampilamina ny ara-politika sy fandriampahalemana any amin'ny firenenay hatramin'ny nanombohan'ity taona ity. Saingy ho any Londona dia ho any tokoa izahay ary ny tanjonay dia ny hanaporofo amin'izao tontolo izao fa na eo aza ny ady atrehanay, mbola mijoro ny firenenay. Nanao ezaka ara-bola sy fandavan-tena goavana ny governemanta mba hahafahan'i Mali ho voasolo tena any amin'ity hetsika ara-panatanjahantena manana ny maha-izy azy ity. Fotoana lehibe fanararaotra io ho an'ireo atletanay mba handratoana traikefa.

Peta-drindrina mankalaza ny Atleta %olaimpika Maliana, Daba Modibo Kéita, Bamako. Sary avy amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Handefa atleta enina  i Mali ary olona 31 no fitambaran'ireo hanatrika ny Lalao Olaimpika any Londona. Ny tranonkala abamako.com dia manome ny lisitry ny anaran'ireo atleta voafantina [fr]:

Six athlètes vont défendre les couleurs du Mali à Londres. Il s`agit de Daba Modibo Kéita (taekwondo), Oumar Koné (judo), Rahamatou Dramé et Moussa Camara (athlétisme), Mamadou A. Soumaré et Fatoumata Samassékou (natation). Et c`est Rahamatou Dramé qui sera le porte-drapeau de la délégation malienne lors de la cérémonie d` ouverture prévue vendredi prochain. Parmi les six représentants du Mali, Daba Modibo Kéita est sans doute le plus attendu par ses compatriotes. Contraint à l` abandon aux J.O. de Pékin (blessure) alors qu` il faisait figure d` intouchable, le double champion du monde des poids lourds (2007-2009) n` aura droit à aucune excuse en cas d`échec cette année.

Atleta enina no hiaro ny lokon'i Mali any Londona. Daba Modibo Kéita (taekwondo), Oumar Koné (judo), Rahamatou Dramé sy Moussa Camara (atletisma), Mamadou A. Soumaré and Fatoumata Samassékou (lomano). Ary i Rahamatou Dramé izay hilanja ny fanevam-pirenena ho an'ny delegasiona Maliana mandritra ny fotoana fanokafana ny lalao ny Zoma. Anatin'ireo solotena enina avy any Mali, i Daba Modibo Kéita  no tena andrandrain'ireo mpiray tanindrazana aminy fatratra. Voatery niala an-daharana noho ny ratra nahazo azy izy tamin'ny Lalao Olaimpika tany Beijing, na dia noheverina ho tsy hisy handresy azy aza. Tsy hanana fialan-tsiny azo omena ilay tompon-daka erant-tany indroa zeo amin'ny sokajy mavesatra (2007-2009) raha sanatria ka tsy tafita amin'ity taona ity.

Ity lahatsary manaraka ity dia mampiseho an'i Daba Modibo Kéita, a.k.a. “the gladiator“, na “ilay goavam-be”, nandritra ny fifaninanana iray tamin'ny taranja taekwondo :

http://www.youtube.com/watch?v=NF2eUcV8YzI

Niresadresahana momba ny hoavin'ny fanatanjahantena ao Mali sy izay toerany ao Mali i Daba Modibo Kéita :

Ts mivoatra tsara ny Taekwondo ao  Mali raha ampitahaina amin'ny any  Korea, Iran, Spain,Etazonia sy Meksika… Saingy satria aho indroa tompon-daka erantany, miha-voasarika bebe kokoa amin'ny fanatanjahantena ‘arts martiaux’ ny olona any amin'ny fireneko ary milofo amin'io ry zareo. Am-panetren-tena izany ary mampahatsiahy ahy hatrany fa mijery ny ataoko ireo ankizy ary mety hanadrana haka tàhaka ahy ry zareo, noho izany manana andraikitra aho tsy hitarika azy ireo amin'ny làlana tsy izy. Amin'ny maha-Tompon-daka Erantany, dia firenena iray manontolo mihitsy no entiko miaraka ho amin'ny  Taekwondo, manome azy ireo fanantenana betsaka fa hoe afaka mahatratra ny vitako koa ry zareo. Amin'izao fotoana dia laharana fahatelo no misy ny  Taekwondo amin'ny fahafantaran'ny olona any amin'ny fireneko, eo aorian'ny baolina kitra sy ny basket… ary tena mampirehareha ahy izany.

Momba an'i Mali dia manampy izy hoe :

Firenena kely iray mahantra ao Afrika i Mali ary maro  ny ankizy manana talenta saingy tsy manana kosa fahafahana toy izao mba hahita fepetra mendrika kokoa hisandratana. […] Voninahitra ho ahy  ny angatahako ny mpamaky tsirairay mba hivavaka ho an'ny fireneko,  Mali, ary ireo firenena Afrikana hafa miaina ady an-trano tsy misy farany. Mba ho afaka amin'ny herisetra anie ireny firenena ireny ka hianatra hamongotra ny fiadian-tseza sy fitondrana. Mba ho indray andro any, ho mpitarika eto amin'izao tonotolo izao i Afrikaamin'ny resaka zon'olombelona sy fiaraha-mizaka ny mangidy amin'ny olom-pirenena tsirairay, tsy ijerena ny fiaviana ara-pirazanana na ara-poko.

Fanamby iray ho an'ireo atleta Maliana ny hifady hanina na tsia mandritra ny Ramadan amin'izao Lalao any Londona izao. Tsy irery ry zareo amin'io tranga io. Misy ao amin'ny  3.000 hatramin'ny  3.500 ireo atleta [fr] miady amin'ny fampihavanana ny ara-pinoany amin'ny zavatra takian'ny fifanintsanana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny  Lalao Olaimpika 2012 ao Londona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.