Ny 6 Jolay 2012, an'aliny ireo mpiondana aterineto miteny ny fiteny Catalan no nankalaza ny fahatongavan'ny fampiasana ny tenin'izy ireo eo amin'ny Twitter. Vetivety dia nanjary lohahevitra noresahana be tao Espaina ny tenifototra #twitterencatalà , ary ny Data'n'Press dia nanokatra ny twitterencatala.org mba hanaraha-maso ny isan'ireo mpampiasa mamadika ny kaontiny ho any amin'ilay fiteny Catalan. Tanatin'ny 24 ora voalohany fotsiny, maherin'ny 10.000 ny olona nanao izany.
Marobe ireo mpampiasa Twitter no faly tamin'ireo famoahana vao haingana tamin'ny fiteniny tao amin'ilay tranonkala, nefa maro koa ireo hafa naneho ny hatezerany tamin'ilay fanambaràna, nibitsika fanamarihana somary manafintohina mikasika ny vahoaka sy ny fiteny Catalan .
Ny lafin-tsarany, betsaka ireo nisaotra mivantana an'i Albert Cuesta, izay nikarakara ilay fanangonan-tsonia ho an'ny daholobe mba hisian'ny Twitter amin'ny fiteny Catalan, hatramin'ireo rehetra izay nanao sonia azy io :
@csolaniubo: Avui és el dia que hem de felicitar l’ @albertcuesta per ser tant tossut i fer que entre tots hàgim aconseguit el #twitterencatala Gràcies!
@jordiipa: El meu #FF és per als 7.383 signants de la petició i els 5.000 voluntaris que han traduït #twitterencatala < i el meu x @albertcuesta grcs!
Nisy ihany koa ireo bitsika tsy tambo isaina nankalaza ny fandefasana voalohany ny Twitter amin'ny fiteny Catalan ho toy ny fandresen'ny maha Catalan ao anatin'ny tontolo politika sy sosialy Catalonia misy ankehitriny:
@sonrisadecolor: M'encanta tenir el #Twitter de l'ordinador en #català. Només una mica més i ja tindrem la #IndepedènciaperCatalunya! #twitterencatala
@quimtorra: Això del #twitterencatala és com ens passarà l'endemà de la independència: semblarà mentida que no hagués estat sempre així.
Izany eo ihany, ny fandefasana voalohany ny Twitter Catalan koa dia niteraka onjan-katezerana, ary anatin'ny tranga sasany dia bitsika mpanavakavaka ara-piaviana mamely ny fiteny sy ny vahoaka Catalan, ary mifamadika amin'izay, ny sasany dia valinteny tena faran'izay henjana sy manaraby
@xaviconde: Los que están detrás de #twitterencatala quieren partir España. Además de ducharse poco, claro.
@juanjo_R_G: #twitterencatala Eso, eso, y yo quiero la versión en panocho, bable, andaluz y latín antiguo.
@somosloslocos: Ahora Twitter parecerá un huerto, todos hablando como si tuvieran un nabo en la boca. #twitterencatala
@mapumo21: La ràbia dels espanyols és directament proporcional a les meues ganes de parlar, escriure i pensar en català! #twitterencatala #adeuespanya
@el_bocazas: Que los catalanes tengan #twitterencatala m parece tan reprobable como que los rusos tengan #twitterenruso o los franceses #twitterenfrancés
@Maltlatadol: tt #twitterencatala y la peña rajando. Jajajajaja maldita envidia. A min só me molesta que non hai #twitterengalego
Ny tranonkala Apuntem.cat, natokana hiampangana ny fanavakavahana ny Catalan ety anaty aterineto, dia nanangona ny sasany tamin'ireo bitsika tena mitratrevatreva (fanamarihana: amin'ny teny espaniôla, ny “catalufo” dia teny fanambaniana iantsoana ny Catalans):
@AdrianVic04: Catalans, iriko hahazo anareo ny aretina sy hirifiry faran'izay ratsy indrindra, ka hanjohy anareo mandritra ny androm-piainanareo ny fahafatesana, ianareo no vongan-diky ato ESPAINA.
@manuelrodrigue1: tairo e, te-hametraka ny #twitterencatalà izao ry lerony, fa rahoviana ihany itony catalufos vongan-diky mpangataka fizakan-tena itony vao hiala e? Mankaloiloy ry lerony
@Ander89zgz: Mankaloiloy ahy ireto catalufos ireto. Tsy azontsika atao ve ny manafoana azy rehetra ireny tsotra izao e?
Nampiasa saina ireo Catalan mpiondana aterineto nandritra ny fotoana maharitra ireo bitsika mitratrevatreva manavakavaka ny Catalan. Ilay Parlemantera Eoropeana Ramon Tremosa dia nitondra ireny ahiahy ireny teo anoloan'ny Kaomisiona Eoropeana, tamin'ny filazàna fa ny karazana famabarana toy ireny dia tsy tokony ho arovana mihitsy ho toy ny fahalalahana miteny satria izy ireny “no mitondra ny voan'ny fankahalàna” [cat].
Herinandro latsaka taorian'ny fitsapan-kevi-bahoaka farany [cat] nataon'ny Centre d'Estudis d'Opinió's no nandefasana voalohany ny Twitter Catalan, fitsapan-kevitra izay nanasongadina fa maherin'ny 51% amin'ny Catalan mpifidy no mety hifidy ny fizakan-tena raha toa ka hisy fitsapan-kevi-bahoaka hatao rahampitso.