Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Janoary, 2011
Video: Ireo mpanao kiraro erantany
Ireo horonantsary androany dia mifantoka amin'ireo mpanao asa tanana maneran'tany mbola manao kiraro amin'ny tanana. Avy any Mexika hatrany Japana: handinika ny fomba fanamboarana ireo kiraro, kiraro iva sy kapa.
Tontolo Arabo: Aiza i Ben Ali mipetraka?
Amin'izao fotoana izao raha nitsoaka ny firenena ny filoha Toniziana teo aloha Zine El Abidine Ben Ali, ny fanontaniana ao an-tsain'ny tsirairay dia ny hoe: Aiza izy izao no mipetraka?
Frantsa: Ilay akamanay taloha manahirana, Monsieur Ben Ali
Nipoitra ihany. Mahatsapa ny fanaovana mody fanina ao anatin'ny fotoana maharitra ataon'ny mpanao politika frantsay sy ny gazety mahazatra, noho ny fifankatiavana naharitra ampolony taona maro (teo amin'i Frantsa sy) teo amin'ny fitondrana Ben Ali ny mpamaham-bolongana frantsay sy ny mpisioka an-tserasera - ka hametraka tantara ho an'ny iray amin'ny...
Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy
Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary...
Gresy: Monomonona manoloana ny tetikasa fananganana fefy sy ny fandroahana mpifindra monina
Ny harivan'ny andro niandrasana ny taona vaovao dia niteraka fanehoan-kevitra kahery vaika ny fanambarana nataon'ny ministra Grika ho Fiarovana ny olom-pirenena, Christos Papoutsis, mikasika ny tsy fsisian'ny indrafo ao anatin'ny politikan'ny governemantany amin'ny resaka fifindra-monina.
Tonisia: Manako eran-tany ny antsoantson'ireo mpanohitra
Ny kiak''ireo Tonisiana, manohitra ny kolikoly sy ny tsy fisian'asa nandritra ireo roa herinandro lasa, dia mihamalalaka kokoa ao amin'ny Aterineto. Mihetsika manaraka azy ireo sy manely ny antsony ireo mpampiasa aterineto maneran-tany.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...