Tantara mikasika ny Sipra
Nahemotra Ho Amin'ity Taona 2017 Ity Ny Fifanarahana Momba Ny Olan'i Sipra
Tamin'ny 20 Novambra, nihaona fanindroany tao amin'ny Mont-Pelerin, Soisa ny Filoha Sipra Nicos Anastasiades sy ny mpitarika Syprioty Tiorka Mustafa Akinci, mba hiverina indray hanohy ny fifampiresahana momba ny olan'i Sipra. Nifarana tsy nisy fifanarahana ny fifampiresahana, izay naharitra roa andro, ary niafara tamin'ny fifanomezan-tsiny teo amin'ny andaniny sy ny ankilany.
Nilaza Ny Arsevekan'i Sypra Fa ‘Afa-po’ Tamin'ny Fandresen'ny Antoko Ankavanana Tamin'ny Fifidianana
"Afa-po ve ianao fa tsy miampanga ny Nazisma izy ireo? Afa-po amin'ny swastikas ve ianao? Amin'ny vokovoko Nazi? Amin'ireo rehetra nandefa ny vahoaka an-tapitrisany ho may ao anaty lafaoro, ny heloka bevava goavana indrindra nataon'ny olombelona?"
Fiaramanidina EgyptAir Ho Any Kairo Naodina Nakany Sipra
Piratim-piaramanidina iray no voalaza fa nanodina an-keriny ny sidina Egypt Air teny an-dàlana avy any Alexandria ho anyKairo, ary nanery ilay sidina tokony hiodina ho any amin'ny seranam-piaramanidina ao Larnaca tany Sipra rehefa nilaza izy fa mitondra fehin-kibo mety mipoaka eny aminy
Tapitra Ny Fakàna An-keriny Ny EgyptAir ; Votsotra Daholo Ny Mpandeha
"Ela ny ela ka afaka isika hankalaza ny Arabo voalohany mpaka ankeriny nambara ho tsy mpampihorohoro, fa olona tsy milamina ara-tsaina. :) #EgyptAir," hoy ny bitsik'i Patrick Baz.
Manoloana Ny Tsy Fahombiazan'ny Politikam-Pifehezan-Kibo, Inona ny Vahaolana ho an'i Eoropa ?
Tsy tafavoaka ao anatin'ny krizy mahazo azy i Eoropa na dia mampihatra ny politikam-pifehezan-kibo aza. Mandrisika ny Malagasy rehetra hazoto mamaky lahatsoratra ara-toekarena tahaka itony itarafana ny politika ara-toekarena sahaza antsika.