Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Avrily, 2018
Diaspora Afrikana: Fotoan-tsarotra ho an'ireo Afrikana any Frantsa sy Belzika
"I Frantsa, Atoa Sarkozy, dia sady tsy makorelina voatery manainga ny feny amin'ny andro mosary, na fiangonana hanaikena ny fahotana rehetra rehefa miteny 'amen' na koa firenena fehezin'ny fitsipika miafina sy mampiahiahy"
Inona indray ny lahatsoratra nahasarika ireo mpamaky Global Voices tamin'ny herinandron'ny 16-22 avrily 2018?
Nandritra ny herinandron'ny 16 ka hatramin'ny 22 Febroary 2018, ny momba an'i Taiwan no tantara malaza indrindra tao amin'ny tranonkala amin'ny teny Indoneziana. Ary ny an'ny tranonkala amin'ny teny Poloney ? Ny tantara iray momba an'i Meksika.
Danemark: Tsy manaiky ny “fampisehoana rohy lalina” ny mpamoaka gazety
Tsy nanaiky ny ezaka navaozin'ireo mpamoaka gazety Danoà mba hanakana ireo tranonkala toy ny Google News tsy hampiseho rohy any amin'ny lahatsoratry ny olon-tsotra afa-tsy amin'ny ny pejy fandraisan'ny gazety ihany ireo mpanao gazety bilaogera any Danemark.
Manabaribary ny Toetran'ny Fahalalahàna miteny Ao Espaina Ny Fandoavana Sazy Noho Ny Sary Namboarina
Onitra 480 euros no nambara ho an'i Daniel Serrano, tovolahy iray 24 taona, noho ny namoahany tao amin'ny aterineto ny sarin'ny tarehiny nampifanamboarina tamin'ny sarin'i Kristy.
Inona no novakian'ny mpamakin'ny Global Voices tamin'ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018?
nandritra ny herinandron'ny 9-15 avrily 2018, nahatratra mpamaky avy amin'ny firenena 211 ny tantara sy ny fandikanteny tato aminay. laharana faha-95 ao amin'ny lisitra? Azerbaijan. Ary ny laharana faha-154? Niger.
Nankalaza ny andro iraisampirenena ho an'ny frankôfônia ny Global Voices amin'ny teny frantsay
Namakafaka ny dikan'ny hoe miteny frantsay (ankoatra ny fiteny hafa, ho an'ny maro amin'izy ireo ) ireo firenena sy faritany miisa dimampolo teo ho eo izay miteny frantsay, ary ao anatin'ny (na tsia) Fikambanana Iraisampirenena ho an'ny Frankôfônia .
Fifidianana Amerikana. Maneho Hevitra Izao Tontolo Izao.
Ry mpankafy vaovao politika, henoy! Bilaogy momba ny fifidianana Amerikana ao amin'ny Global Voices, Voices without Votes miasa tsy an-kiato mba hanome anao tsy tapaka momba ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao.
Inona no Novakian'ny Mpamakin'ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 2-8 Avrily 2018?
Nahasintona mpamaky avy amin'ny firenena miisa 2009 ny tantara sy ny fandikatsoratray nandritra ny herinandron'ny 2-8 Avrily 2018. Laharana faha-53 ao amin'ny lisitra? Thailandy. Ary ny laharana 182? São Tomé & Príncipe.
Davos: Topimaso sy Fandraisana Anjara Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary
Hatao ny 23 Janoary ka hatramin’ny 27 Janoary ny fihaonambe fanaon'ny World Economic Forum (Zaikabe momba ny Toekarena Eran-tany) hivorian'ny mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra [...] afaka mandray anjara amin'ity zaikabe ity ny olon-tsotra amin'ny fandrosoana ny heviny mba hahatonga ny tontolo ho toerana tsara kokoa.
Teny 2.500 Manerantany Tandindonin-doza
Navoakan'ny Fikambana Ara-panabeazana, ara-tsiantifika sy Ara-kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana (UNESCO) ny Sarintany ifarimbonana misy ireo fiteny tandindonin-doza, izay mampiseho ireo tenin-drazana 2.500 amin'ireo 6000 atahorana. Mangataka amin'ny mpiserasera ny fikambanana iraisam-pirenena mba handray anjara amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny tetikasa izay mampanahy ireo bilaogera maro ny fiarovana ny kolontsaina.