· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Jolay, 2011

Lahatsary: Tortillas, Chapatis, Mofo Sy Maro Hafa Manerana Izao Tontolo Izao

Betsaka amin'ireo kolontsaina no mampiaraka ny sakafony amin-javatra vita avy amin'ny voamaina; mofo, biskoitra sy karaza-mofo nahandroina tamin'ny entona no tena isan'ny sakafon'ny olna amin'ny toerana maro manerana izao tontolo izao. Androany isika dia hitsidika mpiangaly sy mpahandro mba hijery ny fomba fikarakaran-dry zareo sy fanaovany ny sakafo fanomeny ny fianakaviany.

E Day: Mamantatra NyTeny Ankafizin'ireo Olo-malaza

  16 Jolay 2011

Inona no zavatra itovian'ny mpihira Shakira, ny mpilalao sarimihetsika Gael Garcia Bernal, i sefo Ferran Adria ary ilay mpanoratra Mario Vargas Llosa? Izy ireo dia samy mpikambana ao amin'ilay vondron'ireo olo-malaza 30 nizara tamin'ny alalan'ny lahatsary ireo teny tena tian'izy ireo amin'ny teny Espaniola mba ho isan'ny fankalazana ny 'E Day' nokarakarain'ny Fianarana Ambony Cervantes.

Espaina: Fanampim-baovao ao amin'ny tomalaplaza.net

  11 Jolay 2011

Manomboka izao ny tranonkala tomalaplaza.net dia manolotra seha-baovao ( voavaka isan-tanàna) mikasika ny fihetsiketsehana ataon'ny olom-pirenena any an-toerana tsirairay avy izay nivelatra tao  Espaina nanomboka ny 15 Mey (15M).