Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Janoary, 2016
Baba Marta, Fomban'i Balkan Ifanakalozana Aody Nataon-Tanana
Nanambatra ny heriny ny firenena ao Balkan hiarovana ny fomba sy hirosoana amin'ny fampidirana azy ho ao amin'ny lisitry ny lovan-kolontsaina tsy azo tsapain-tanan'ny UNESCO.
GV Face: Nilaozany Handeha Hiaina Toy Ny Mpialokaloka Any Eoropa I Brezila

Tian'i Edgard iainana ny zavatra sedrain'ireo mpitsoa-ponenana nandositra nankany Eoropa. Tao Tiorkia no nanombohany ny diany, avy eo nankany amin'ireo nosy Grika Lesvos, Athens, nandalo an'i Idomeni, niditra an'i Makedonia, Serbia, Slovenia, Kroatia, Aotrisy sy Alemaina.
Ny Planina Nazi Hamindra Ny Jiosy Ho Eto Madagasikara, Iray Amin'ny ‘Ahoana Raha Toa’ Nohadinoina Momba Ny Ady Lehibe Faharoa
Tsy fantatra ny anjara toeran'i Madagasikara tamin'ny ady lehibe faharoa. Nefa dia nanana anjara toerana afovoany tamin'ny tranga maizina indrindra tamin'ny ady.
Nasehon'ny Karatra Paositaly Fahiny Ny Tsiaron'ny Ady Lehibe Voalohany Tao Makedonia
Natao tanelanelan'ny taona 1914 ka hatramin'ny 1918, tsy ny fampisehoana ny endrika ara-miaramila ny ady ihany no hita amin'ny sary, fa asehony ihany koa ny toerana sy ny olona tafiditra ao anatin'ny ranomodiny.
Efa Mpialokaloka Tao Syria, Mbola Lasa Mpialokaloka Indray Ity Palestiniana Vehivavy Ity
Mpialokaloka ao Eoropa i Nadera Aboud. Saingy tsy sambany izy no nandositra ny fonenany. Efa ho 70 taona izao ny fonenany voalohany.
Tonga Ao Italia Ireo “Mpanohitra Andriambavy”-n'i Arzantina
Nitondra fahalinana goavana tao Italia ny andiam-boky "Mpanohitra-andriambavy" teraka tao Arzantina, ary vokatry ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny Gloval Voices, ho avy tsy ho ela ny fanontàna ny dika amin'ny fiteny italiana.
Safiotra Iraniana-Britanika Mpanao Gazety, Mibitsika Ny Niainany Ny Fanakanana Azy Tsy Hiakatra Tao Anaty Sidina Ho Any Etazonia
"Tsy afaka nanatrika ny fety fankalazàna ny nahaterahan'ny anadahiny amerikàna ny zanako ilay olompirenena #Britanika feno satria ny reniny teraka tany Iràna," hoy i Rana Rahimpour nanoratra nanazava ny fomba nanakanan'ireo fameperana vaovao azy tsy handray ny sidina.
Amsterdam: Sahand Sahebdivani Sy Ny Fiventesany Tantara Mahatalanjona (Ampahany 1)
Ao anatin'ity tafa misy andiany roa niarahany tamin'ny Global Voices, resahan'i Sahand Sahebdivani ny momba ireo fifankahitàna ara-kolontsaina, ireo vehivavy maherifo any anatin'ny angano Persiana, ny tanjaky ny fiventesana tantara ary ny hevitry ny fifangaroana, fifanakalozana kolontsaina.
Taorian'ny Famonoana Nanjo Ny Zanany Lahy, Mampianatra Ny Lanjan'ny Firaisankina An'ireo Tanora Ny Renimpianakaviana Iray Metisy Frantsay-Maraokàna
Miresaka momba ilay namono an-janany lahy amin'ireo Frantsay mpianatra i Latifa Ibn Ziaten. Ary ny antony tsy tokony hanarahan-dry zareo ny diany.