· Oktobra, 2010

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Oktobra, 2010

Frantsa: Mitantara angano momba ny fananana vady maro any amin'ireo fianakaviana mpifindra monina ny gazetiboky

Le Point, gazetibokim-baovao Frantsay mpivoaka isan-kerinandro, no lasibatry ny “mpitolona” iray karazany vaovao izay manohitra ny endrika omena ireo mponina any amin'ny fiarahamonin'ny mpifindramonina. Niteraka adihevitra be teo amin'ny haino aman-jery i Abdel tamin'ny nisandohany ho renim-pianakaviana ao amina fianakaviana marovady.

20 Oktobra 2010

Horonantsary: Ahoana no hikajiana ny rano ho madio lalandava sy hampiasàna azy am-pisainana

Avy amin'ny toro-làlana ho fampiasàna ny rano efa niasa na fifehezana ny firobarobàna rehefa mampiasa trano fidiovana isika, natao ho an'ireo ankizy madinika any Valle del Colca ao Peru, anazavàna ny maha-zava-dehibe ny tokony hitandroana ny loharanon-drano iraisan'ny daholobe ho madio lalandava. Miaraha aminay mandritra ny Blog Action Day itetezanay izao tontolo izao miaraka amina Horonantsary Fikajiana avy amin'ny Vazantany rehetra.

17 Oktobra 2010

Faritr'i Sahel: Momba ny fandoavana tamby hanavotana ireo takalonaina

Ny fakàna takalon'aina nataona vondrona Islamika iray antsoina hoe Al-Qaeda in The Islamic Maghreb (AQIM) izao no malaza any amin'ny Faritr'i Sahel izay nipariaka nanerana ny firenena maro any avaratr'i Afrika. Ho fanafahana ireo takalon'aina, manao tsindry ara-politika amin'ireo firenena Afrikana voakasika amin'izany ireo governemanta sy orinasa, na hizotra amin'ny fandoavana tamby mivantana. Na izany aza, ny tetikasa hoe handoa tamby dia mazàna no dradraina ho tsy mahomby sy mampidi-doza ao anatin'ny fotoana maharitra.

04 Oktobra 2010

Maneran-tany : Tsy misy ny aina rehefa tsy misy ny rano

Natao tany Stockholm , renivohitr'i Soisy nanomboka ny 5 ka hatramin'ny 11 Septambra 2010 ny fihaonana faharoapolo amin'ny Herinandro Iraisam-pirenena ho an'ny rano (World Water Week - WWW) mitondra ny lohahevitra hoe: Ny kalitaon'ny rano Tanjona-Fisorohana, Fampiasàna voalanjalanja sy fampihenana. Araka ny hevitr'ireo mpikarakara, "samy mitondra ny tsindrin'entany eo amin'ny habetsahana sy ny hatsaràn'ny loharanon-dranontsika na ny fanamboarana tanana, ny fambolena, ny indostria ary ny fiovaovan'ny toetr'andro."

03 Oktobra 2010