Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Janoary, 2019

14 Janoary 2019

Monaco: Tranonkala voampanga ho nanala baraka ny Lehiben'ny Fanjakana

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tao Monaco (Fanjakam-printsy ao Monaco), voalaza fa nanasongadina sariitatra nanala baraka sy nanaraby ny Printsy Albert II sy ireo mpanao politika hafa ao an-toerana i Marc Giacone, tompon-tranonkala vaovao fanesoana iray ary mety hisazy enim-bolana an-tranomaizina sy handoa lamandy mitentina 1.500 €...

12 Janoary 2019

Mijery ny mari-panondroana Indo miaraka amin'ilay mpaka sary Holandey, Ello

Ny Indo dia olona manana fototra Indoneziana sy Eoropeana (indrindra indrindra ny Holandey). Manodidina ny roa tapitrisa ireo Indo monina any Holandy, firenena iray izay nanjanaka an'i Indonezia ny taona 1600 hatramin'ny 1945. Misy ihany koa ireo Indo any amin'ny firenena hafa toa an'i Aostralia, Etazonia, ary ny maro hafa.

05 Janoary 2019

Ejypta: Mpanao gazety iray hafa voaroaka

Mba hanohizana ireo andiana fanorisorenana na fandroahana mpanao gazety any Ejipta, tahaka an'i Travis Randall, Philip Rizk sy Wael Abbas; dia notazonina tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo taorian'ny nahatongavany i Per Bjorklund, mpanao gazety Soedoà sady bilaogera. Nosakanan'ny polisy izy ary naverina tany Prague tsy misy fanazavana; nolazaina taminy fotsiny fa "ao anatin'ny solosaina...

04 Janoary 2019

Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra

Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.

03 Janoary 2019

Olana manokan'ireo vehivavy ao Gresy ny fanorisorenana ara-nofo

Sotasota atao am-bava oe ? Une femme d'Athènes commente que "naneho hevitra ilay vehivavy tao Athènes hoe "tena matetika mihitsy izany no mitranga ka tsy tsaroan(y) intsony hoe ny tranga toy inona no niavaka"