Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Avrily, 2015
Ao Anatin'ny Fibodoan'ireo Mpianatra ‘New University’ Ao Amsterdam
Manome ny sombiny amin'ny hetsika "New University", fibodoana nandritra ny roa volana nataon'ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Amsterdam, i Roberto Pizzato sy Nicola Zolin, mpanao gazety sy mpaka sary.
Tsiahin'ilay Lehilahy Eritreana Ambavahoanan'ny Fahafatesana Raha Namakivaky ny Ranomasina Mediteranea
"Tsy miezaka mba hanatsara kokoa ny fiainanay izahay, fa mba hatory amin'ny fandriana tsara kokoa...Fanontaniana fototra momba ny fototry ny zon'olombelona izany," hoy i Daniel Habtey.
Olona An-tapitrisany Manerantany No Mahatsiaro ny Vonomoka ny Armeniana
Armeniana sy mpanohana an-tapitrisany manerantany no nahatsiaro ny Fahazato taonan'ny Fandripahana ny Armeniana.
Nahazo Fialokalofana tao Espaina ihany ilay Lesbiana Nandositra Fanenjehana tao Kamerona
Na dia firenena malalaka indrindra manerana izao tontolo izao amin'ny fanajana ny zon'ny LGBT aza i Espaina, dia tsy mirona loatra amin'ny fanomezana fialokalofana kosa ny andrim-panjakana ao aminy.
Angolà: Miatrika Fitsaràna Momba Ny Fanadihadihana Ny “Diamondra Mihoson-drà” Ilay Mpanao Gazety Nahazo Loka
Nandray anjara tamin'ny fanaovana ity tatitra ity i Jonathan McCully. Ny volana lasa teo, nomena ny Lokan'ny Fitorohana ny Famerana ny Fahalalahana Miteny an'ny fanaovan-gazety i Rafael Marques de Morais, noho ny...
Resabe Taorian'ny Fandresen'ilay Sarimihetsika Timbuktu
Niteraka adihevitra marobe taty amin'ny tanibe afrikana ilay sarimihetsika Timbuktu. Ny sasany tia, ny kiana sasany miezaka manazava io fahombiazana io amin'ny fisian'ny dindo avy any ivelany
‘Fonja Misokatra’ Ao Finland, Ireo Mpifonja No Tompon'ny Fanalahidy
Ahoana no fomba nataon'i Finland hialana amin'ny maha-tompon'ny taha ambony indrindra azy tao Eoropa raha resaka fampidirana am-ponja, ho lasa ny manana ny taha ambany indrindra? Ireo 'fonja misokatra' natsangany no ampahany amin'ny valinteny azo aroso.
Ahoana No Tsy Hanoratana Momba Ny Smartphones Sy Espaina
Ho fiarovana ny zon'i Espaina ho voalaza araka ny tena izy—ary ny maha-mpiankin-doha amin'ny smartphone azy toy ny olona rehetra ihany.
Ny Fanangonan-Tsonian'ireo Olom-pirenen'ny Fiombonam-be Eoropeana Ho Fanoherana Ny Fifanarahana Nataon'Ny CETA Sy Ny TTIP
Araho amin'ity taona ity ireo fifanarahana manerana an'i Atlantika nataon'ny Fiombonam-be Eoropeana sy Kanada ary Etazonia niaraka. Ahian'ny vondrom-piarahamonina Eoropeana hanitsakitsaka ny tombontsoan'ny mpanjifa izy ireo.
Madrid : Firaisankina Teraka Avy Amin'ny Sisanà Korontam-Baton'ny Trano Iray Noravàna
" Mihevitra ry zareo fa nandresy fa ny tsy fantany dia vahoaka maro mahafatifaty no hanorina indray ny #On29 #ReconstrucciON29 "