· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Janoary, 2018

Makedonia : Manamafy Ny Filàna Serasera Malalaka Amin'i Gresy Ireo Mpitoraka Bilaogy

Ao anatin'ny korontana anatiny naterak'ireo hetsiky ny Grika hisakanana ny fidiran'i Makedonia ho ao amin'ny OTAN sy ny Vondrona Eoropeana, ary noho ny fitombon'ny isan'ny tatitra momba ny fanafihana ireo Makedoniana mpamily fiarabe ataon'ny hetsika nasionalista any Gresy ( famaliana ôfisialy), dia maro ireo makedoniana mpitoraka bilaogy no miezaka manentsina ny hantsan'ny tsy fahalalàna misy eo amin'ny firenena roa tonta

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

RDC, Belzika: Fihetsiketsehana Manohitra an'i Kabila

  11 Janoary 2018

Ho fialohavana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ho atao amin'ny alahady 29 oktobra ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo, izay ahitana an'ireo mpifanandrina: Jean-Pierre Bemba sy Joseph Kabila, nisy fihetsiketsehana natao tany Bruxelles, Belzika tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo ho fanohanana an'i Bemba saingy indrindra indrindra ho fanoherana an'i Kabila.

Jereo Mivantana Ny Fifaninanana ‘Bilaogy Tsara Indrindra’ 2008

  04 Janoary 2018

Nambara tao Berlin tamin'ny 27 Novambra 2008 ireo mpandresy tamin'ity fifaninanana Best of the Blogs (Bilaogy Tsara Indrindra-BoBs) tamin'ny taona 2008. Nisokatra ho an'ny daholobe ny hetsika. Raha tsy any Berlin ianao dia azonao jerena antserasera ny hetsika iray manontolo amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity na...