Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Eoropa Andrefana tamin'ny Aogositra, 2012

Espaina: “Tsy Fankatoavana Ara-Pahasalamana” Noho Ny Fepetran'ny Fitsitsiana

 Nanangana sehatra entina hanoherana ny fanavaozana ara-pahasalamana natao vao haingana ny vondrona tsy miankin'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpandray anjara amin'ny hopitalim-panjakana. Nomena anarana hoe”Eny hoy aho ho an'ny fahasalaman'ny daholobe” (@Yosisanidaduniv) [es] ny hetsika ary ny foto-kevi-dehibe ijoroany dia ny “tsy fanekena” sy ny fanoherana ny Lalàna 16/2012 novolavolain'ny...

Angola: Mandany Vola Be Any Portiogaly Ireo Angole Mpizaha Tany

'Tsikelikely no ahitantsika fa ny vola Angole dia manomboka mahazo vahana amin'ny fandraharahana sy ny sehatra ara-toekarena any Portiogalyl.' Araka ny fijerin'ny mpiampiasa aterineto iray dia tena fifanoherana tanteraka izany ho an'ny 70%n'ny mponina any Angola izay tsy mikiraro, voky rivotra,(ary) miaina anaty trano tsizarizary.

Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka...

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba...

Graffitis Mitarika Fahatsiarovan-tena Amin'ny Vanim-potoana Manahirana

Amin'izao fahasahiranana ara-toekarena misy ankehitriny izao, mifanjevo amin'ny hafatra sosialy maro ny graffiti. Ity ny sasany amin'ireo haikanto an-tanan-dehibe.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny...

Kamerona: Ireo Antony Nandosiran'ny Atleta Tany Amin'ny JO Tao Londona

Ireo fandosiran'ny atleta fito amin'ny 33 nandrafitra ny delegasiona Kamerone, no lasa nalaza teo amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Ireo mpampahalala vaovao sy Kamerone bilaogera maro dia nitanisa ny antony ara-toe-karena ho toy ny antony fototra nanosika ireny fandosirana ireny.

Espaina : Fanentanana “Tsy handoa vola aho” Manerana ny Lalambe Katalana

Naharitra dimy volana hatramin'izao ilay hetsi-panoherana ny fampakàrana ny haban-dalana amin'ny lalambe espaniola ary tonga hatramin'ny fifandonana teo amin'ny mpamily fiarakodia sy mpitantan-draharaha tsy miankina misahana ny lalambe

Manome Fialokalofana An'i Julian Assange Mpanorina Ny WikiLeaks i Ekoatera

Taorian'ny fiandrasana ela, nanambara i Ekoatera fa hanome fialofana ara-politika an'i Julian Assange mpanorina ny WikiLeaks. Ao amin'ny masoivohon'i Ekoatera ao Londona i Assange amin'izao fotoana. Naresaka be ny Twitter niaraka tamin'ireo fanehoan-kevitry ny olon-tsotra sy ireo mpifanandrina mivantana amin'ity raharaha ity, toa ny WikiLeaks, Julian Assange, ary ny Birao...

Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro

Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy...