· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Avrily, 2012

Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès

Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.

24 Avrily 2012

Tonizia: Eny An-dalambe Ny Mpamaky Boky!

Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe "L'avenue ta9ra", na "Mamaky [boky] ny Lalambe". Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.

16 Avrily 2012

Tonizia: Entona Mandatsa-dranomaso Sy Kobay Hanaparitahana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'Asa

Nikarakara hetsi-panoherana any amin'ny vohitri' Tunis ny Fiombonan'ireo Manana Diplôma Tsy an'asa ny 7 Aprily 2012. Nampiasa entona mandatsa-dranomaso sy kobay ny mpitandro filaminana hanaparitahana ireo mpanohitra rehefa nikasa ny handika ny fandraràna hanao fihetsiketsehana tao amin'ny Kianjan'ny Habib Bourguiba, kianja lehiben'ny renivohitra, izy ireo.

14 Avrily 2012