Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Jona, 2011
Tonizia: Mpiasam-panjakana Ambony Nosamborina fa Nanakiana ny Ministeran'ny Atitany
Samir Feriani, mpiasam-panjakana ambony tao amin'ny Ministeran'ny Atitany, dia nosamborin'ny polisy tsy an-kitsitsy mihitsy no sady nentina tany amin'ny toby miaramila iray tao Tunis renivohitra ny 29 May teo. Andro maro talohan'io, namoaka taratasy roa tao amin'ny gazetiboky “Al-Khabeer” ho an'ny vahoaka Toniziana, ka tao anatin'izany no nanakianany ny politika fandraisana mpiasa ao amin'ny ministera.
Toniziia: Tsy Azo Ihodivirana Ny Fanemorana Ny Fifidianana Nokasaina Ho Ny 24 Jolay
Tokony hifidy izay ho mpikambana ao amin'ny antenimiera ry zareo Toniziana amin'ny 24 Jolay. Tato ho ato,na izany aza, dia nanomboka niparitaka ny vaovao momba ny fanemorana ny fifidianana ho amin'ny 16 Oktobra. Tsy nahafaly ireo Toniziana mpitoraka bilaogy ilay vaovao ary ny sasany tamin-dry zareo aza dia miantso mihitsy hetsi-panoherana.