· Novambra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Novambra, 2011

Tonizia: Nampizarazara Ireo Toniziana Mpiondana Aterineto Ny Famonoana Toniziana Iray Tao Iraka

Nampizarazara ny Toniziana mpiondana aterineto ny namonoana an'i Yosri Trigui, Toniziana iray voampanga ho mpampihorohoro. Mpampihorohoro nahazo izay mendrika azy, sa tanora niharan'ny fandrebirebena, sy fitsarana tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena? Vakio ny angona nentin'i Read Afef Abrougui avy amin'ny fanehoan-kevitr'ireo Toniziana mba hahafantaranao azy.

20 Novambra 2011

Tonizia : Noravan'ny Polisy Tamin-kerisetra Ireo Mpanao Hetsi-panoherana Manohitra Ny Kapitalisma

Ny 11 Novambra, ireo mpanao hetsi-panoherana manohitra ny kapitalisma dia nidina an-dalàmbe tao Tonizia, tafiditra ao amin'ilay hetsika manerantany antsoina hoe ''Occupy the World on 11.11.11.'' na "bodoy izao tontolo izao ny 11.11.11."Nampiasa kibay, sy entona mandatsa-dranomaso ireo polisy mba hanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Tunis, izay nahatonga fampiakaram-peo teo amin'ireo mponina.

16 Novambra 2011

Tonizia : Ny Andro Naha-Filoha An'i Ben Ali

Ny 7 Novambra dia mampahatsiahy ny andro nanonganana an'ilay filoha teo aloha Zine El Abidine Ben Ali izay tonga teo amin'ny fitondrana tamin'ny alàlan'ny fanonganam-panjakana tsy nisy rà nandriaka ny taona 1987. Tamin'ity taona ity ny Toniziana dia nifampizara ny fomba fijeriny sy ny fihetsem-pony momba ny 7 Novambra tsy misy an'i Ben Ali.

13 Novambra 2011

Ejipta: Tokony Hisarom-boaly Koa Ny Lehilahy!

Niaraka tamin'ny fitroaran'ireo Islamista talohan'ny revolisiona, nitombo ny tahotra ny hisian'ny faneriterena ara-pinoana teny anivon'ny tanora, ireo vitsy an'isa ary ny vehivavy. Vondrona Facebook iray mandrisika ny lehilahy hitafy Hijab na voaly, ho fanehoana firaisankina amin'ny vehivavy no vao avy nandom-baravarana. Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy avy amin'ny fandraisan'andraikitr'ireo Ejiptiana sy Toniziana mpampiasa aterineto.

04 Novambra 2011

Tonizia: Fenointsika Ny Valantserasera!

Nisesisesy ny lahatsoratra nameno ny valantserasera maneran-tany raha nanapa-kevitra hibosesika ao amin'ny Facebook sy Twitter ny mpiserasera Toniziana amin'ny fanehoan-kevitra ataony. Nanomboka izany rehetra izany ilay mpiserasera naneho firaisankina sy fanohanana...

04 Novambra 2011