Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe “L'avenue ta9ra”, na “Mamaky [boky] ny Lalambe”. Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.
Ho ny filazana ao amin'ny pejy Facebook momba ny hetsika:
Et si on envahissait l'avenue ? Pas avec nos cris ni nos manifs mais avec nos livres.
L’idée est, comme d'habitude, simple: le mercredi 18 avril à 17h, on se déplace vers l'avenue, on s'installe dans les cafés, sur les bancs publics, sur les marches des escaliers, un livre à la main pendant une heure.
Pas la peine que l'on se connaisse, que l’on se parle…on va se reconnaitre par le fait d'avoir un livre à la main
Ça sera la première manif silencieuse sur l'avenue, sans revendication politique; prouver et montrer que les Tunisiens lisent, que ceux qui vont changer le monde sont ceux qui lisent.
Il est temps de rappeler que notre peuple est impliqué, cultivé et lettré.
Invitez vos amis, soyez nombreux, créons l'événement.
Tous à vos livres !!!!!
Tsotra, araka ny mahazatra, ny hevitra: amin'ny alarobia 18 Avrily manomboka amin'ny 5 folakandro, hitodi-doha ho eny amin'ny lalambe isika, hipetrapetraka eny amin'ny cafés, dabilio, tohatohatra, eny an-tanana ny boky mandritra ny ora iray.
tsy ilaina ny fifankafantaran'ny tsirairay, na ny hifampiresaka…Mifankafantatra isika rehefa samy mitazona boky.
Io no hetsika mangina voalohany eo amin'ny lalambe, tsy misy fitakiana politika; asehontsika fa mamaky boky ny Toniziana, fa izay te-hanova izao tontolo izao dia ireo mamaky boky.
Aleo ampahatsiarovina fa mpirotsaka, tsara taiza ary mahay mamaky teny sy manoratra ny vahoakantsika.
Asao ny namanao, tongava maro, andao hamorona hetsika.
Raiso ary ny bokinareo!!!
Nanaraka ny fanafoanana ny fandrarana tsy mahazo manao fihetsiketsehana [mg] eo amin'ny lalambe Habib Bourguiba ity hetsika ity, sy ny famelesan'ny polisy ankerisetra [mg] ny mpanao fihetsiketsehana milamina. Fa milaza ho tsy manao politika tahaka ny hetsi-panoherana [mg] nitranga teo aloha ihany koa.
Tao ambadiky ny hetsika mitovitovy amin'izao antsoina hoe “Les amis du livre” (“Sakaizan'ny boky”) ny bilaogera toniziana Abdelkarim Benabdallah. Mifampizara ny boky tsara vakiana, miresaka momba ny safidiny ary fanomanana ny fifidianana ny toerana hivoriana amin'ny manaraka ny mpikambana ao amin'ny Facebook.
Vitsy ny fivoriana ara-kolontsaina tahaka izao tany Tonizia hatramin'ny fitroarana 2011. Saingy, nandray andraikitra indray ny tanora ary mikasa ny hisian'ny fiarahana mamaky boky matetika kokoa manerana ny firenena.