Niditra an-tsokosoko tamin'ny mailaky ny praiminisitra Toniziana Hamadi Jebali tamin'ny 8 Aprily teo ny Anonymous Tonizia (izay milaza fa sampan'ny vondrona mpisovoka (hackers) Anonymous). Hetsika tafiditra amin'ilay hetsika goavana ” Operation Tunisia Back” (Miverina i Tonizia) io Hetsika Avelao i Toniziako “Operation Touche pas à ma Tunisie” io.
Ny ampitson'ny revolisiona taona 2011, mpikambana ao amin'ny Anonymous manerantany no nikendry ny tranonkala maromaro an'ireo governemanta, izany dia tafiditra amin'ilay hetsika hoe Operation Tunisia. Nanafika ny Islamista Toniziana tamin'ny aterineto ihany koa Anonymous vao haingana. Ankehitriny, namoaka mailaka miisa 2,725 tao amin'ny aterineto ny Anonymous, izay mailaky ny antokon'ny fitondrana Ennahda ao Tonizia, anisan'izany ny mailaky ny praiminisitra.
Niparitaka nanerana ny pejy Facebook ny nomerao findain’ireo olo-panjakana ambony ao amin'ny governemanta. Talanjona tanteraka tamin'izany ny governemanta ary mbola tsy naneho ny heviny hatramin'izao. Nandritra izany, nizarazara ihany ny hevitry ny mpiserasera mikasika ny fahombiazan'ity hetsika ity.
Bassem Meddeb nisioka am-pivitrihana momba ny fitadiavana ireo mailaka an-tapitrasany:
@bmeddeb: Finalement #Anonymous nous a engagé comme détectives! #jbelileaks
Hmid Ben Jemmaa naneso hoe :
@HBJtn: Après le #JbeliLeaks, le bureau politique d'Ennahdha décide de correspondre avec des… pigeons voyageurs.
Na dia izany aza, misy ireo mpisiokantserasera sasany tsy mankasitraka ny hetsika fisovohana.
Hmid Ben Jemmaa nanoratra fa miampanga ny fanafihana izy, ka nanipika izy hoe:
Nanontany izay mba tombotsoa azon'ny hetsika Anonymous ny Mpianatra ho dokotera Amine Ghrabi, nisioka izy hoe:
@HendrixTN: Petite pensée à tous ceux qui ont gâché leur matinée dominicale à fouiller la boite mail d'un incompétent confirmé ! #JbeliLeaks
Ary nampiany hoe:
@alkimia5550: Anonymous a menacé les Islamistes depuis qq mois.Il ne serait pas malin s'il n'a pas nettoyé
@ImedLaaridh: On est peut être parti pour un tour de piratage réciproque. On trouvera de quoi passer le temps.. #TnPolitics #JbeliLeaks
Avy amin'ny Anonymous Tonizia ity lahatsary manaraka [amin'ny teny frantsay] ity. Mpikambana ao amin'ny Anonymous milaza momba ny fivoahan'ny mailaky ny praiminisitra, sy ny mbola hamoahana tahirinkevitra marobe amin'ny manaraka: