· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Febroary, 2011

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

  27 Febroary 2011

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly.

Tontolo Arabo: Mitohy ny fitroàrana

  24 Febroary 2011

Fotoan'ny revolusiona izao manerana ny tontolo Arabo, miaraka amin'ny vahoaka mijoro sy miantso fiovàna ara-politika, ekonomika sy ara-tsosialy. Fifanatonana, fanaovana fihetsiketsehana sy fanoherana manerana ny faritra no mameno ny fandaharam-potoanantsika, miaraka amin'ny vaovao mahavaky fo amin'ny fomba ataon'ny governemanta Arabo iray aorian'ny fampiasan'ny iray ny paikady mitovy hamdravàna ny fanoherana sy ny hampanginana ny feon'ny mpanohitra. Ireto misy fihetseham-po avy amin'izao tontolo izao manaraka ny fandehan'ny revolisiona eo amin'ny faritra

Tontolo Arabo: Adihevitra Goavan'ny Fampitam-Baovao Sosialy

  22 Febroary 2011

Efa am-bolana raha ny fijery azy no mafotaka ny adihevitra momba ny anjara toeran'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra tamin'ireo fihetsiketsehana. Tsy ela akory izay, nifantoka tamin'i Tonizia sy Ejipta izany adihevitra izany, izay ny tranonkala toy ny Facebook sy Twitter no tena nitana toerana lehibe tamin'ny fandrindràna ny hetsika. Ity ny singany iray amin'izany adihevitra izany, avy tao amin'ny Twitter.

Afovoany Atsinanana: Fanarahana maso akaiky kokoa ny Fitroatr'i Tonizia

  15 Febroary 2011

Raha manohy miatrika ireo zava-nitranga nihazakazaka be tao anatin'ny andro vitsy lasa izay nahitàna ny fialàn'i Zine El Abidine Ben Ali sy ny fitsoahany an'i Tonizia ry zareo Toniziana, ny mpitoraka bilaogy Arabo kosa mizara ny eritreriny sy ny fandinihany mikasika ny fitroatry ny Toniziana ary ny dikan'izany eo amin'ny ambin'ny faritra rehetra.

Tonizia: Miala any ny Ady ho an'ny Demaokrasia

  14 Febroary 2011

Iray volana eo izao no nandosiran'ilay filoha Toniziana teo aloha, Zine El Abidine Ben Ali, ka nandeha nialokaloka any Arabia Saodita, tao anatin'ireo fitakiana maro nifanesy nanerana ity firenena ao Avaratr'i Afrika ity nitakiana ny fialàny. Ho an-dry zareo Toniziana, na izany aza, tsy mbola vita akory ny ady ary ny fanendahana ilay mpanao jadona tsy midika velively fa tapitra hatreo ny jadona. Ny marina, matetika ny Toniziana no mamaritra ny fitondrana jadon''i Ben Ali nandritra ny 23 taona ho toy ny orita voatapa-doha, fa tsy ny tanany.

Iran: Manohitra amin'ny anaran'ny Ejipta sy Tonizia

  09 Febroary 2011

Ireo mpitarika ny fanoherana Iraniana, Mir Hussein Mousavi sy Mehdi Karubi, dia nangataka alàlana hanao famoriam-bahoaka ho fanohanana ny hetsi-panoherana any Ejipta sy Tonizia, amin'ny 14 Febroary (25 Bahman) raha ny voalazan'ny tranonkalan-dry zareo. Nanosika mafàna fo maro hametraka ny 'dian-tànana maitsony' eo anivon'ny aterineto ireo vaovao.