Tonga amin'ny famaranana azy tamin'ny 25 Avrily teo ny fitokonana mipetraka naharitra valo herinandro teo ivelan'ny biraon'ny televizionam-panjakana tao Tonizia. Nodradradradrain'ny mpanao fihetsiketsehana fa nanohana ny mpanao jadona voahongana Ben Ali ny televiziona Al Wataniya ka takiany ny “fanadiovana” azy. Nifanaraka ny hiala teo an-toerana ihany ny mpanao fihetsiketsehana rehefa nampanantena ny hisahana ity olan-dry zareo ity ny governemanta.
Lazain'ny mpitsikera, indrindra rehefa amin'ny fotoanan'ny vaovao be mpanaraka, fa manohitra ny Ennahda antoko mitondra amin'izao fotoana izao ny ao amin'ny Al Wataniya. Voampanga ho manaratsy ny asan'ny governemanta ny orinasam-pampielezam-baovao. Nihanitombo sy nihahenjakenjana ny hetsika teo ivelan'ny Wataniya, izay ahitana mpanao fihetsiektsehana nitondra lamba famaohana sy tavoahangin-tsavony (eau de javel), mitaky ny “hanadio” ilay fampielezam-baovao, sy hanafika ny mpanao gazety.
Niteraka gidragidra ny filazan'ny solontenan'ny Ennahda ny amin'ny mety hanomezana amin'ny tsy miankina ny televizionam-panjakana. Niangaviana ny mpanao fihetsiketsehana ny hiala, ary nampanantena ny hamaly ny fitakiany ny governemanta, ka anisan'ny hojerena ihany koa ny resa-bola sy ny kolikoly ataon'ny mpitantana sy ny mpiasa tafiditra tamin'ny fanaovana fampielezan-kevitra an'i Ben Ali taloha.
Nanontany ny fahombiazan'ny sit-in i Bilmirssad:
Niantso ny hanaovana fitsapana ny hevi-bahoaka manerana ny firenena ny governemanta rehefa nofaranan'ny mpanao fihetsiketsehana ny sit-in nataony. Misioka ny mpisera Twitter @tn_revo:
Misioka ny mpanolo-tsaina momba ny tetikady Selim Tanfous:
@Foustanovitch: Sinon.personne ne trouve que la privatisation de la #TTN est une énième tentative de dérouter l opinon publique vers d autres occupations?
Mitsikera ny tsy fahafaham-pon'ny fitondrana amin'ny media i Mohamed Nidhal Bettaieb:
@NidhalBettaieb: Sinon le #tnGov n'arrête pas d'insulter la #TTN , mais ne cesse d'être présent sur ses plateaux
Misioka i Mehdi Charfi:
@___mehdi: bcp de bruit sur privatisation des medias publics.. je pense que meme pas en rêve, et ils le savent tres bien, c juste pour “faire peur”#TTN