Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Septambra, 2018
Tonizia: Mpikatroka Mafàna Fo Iray Navotsotra Ary Mpamoaka Lahatsoratra Amin'ny Tambajotra Iray Mandalo Fitsarana
Navotsotra i Mohammed Abbou, mpisolovava mpiaro zon'olombelona ary nampakarina fitsarana kosa ny mpanoratra iray tamin'ny Aterineto Omar Mestiri, tsy tontosa anefa ny fitsarana satria tsy azo novakiana ilay lahatsoratra tamin'ny tambajotra noho ny sivana napetraky ny manampahefana.
Mpanoratra asongadina: Lina Ben Mhenni
Bilaogera Toniziana i Lina Ben Mhenni ary nanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana tato amin'ny Global Voices izy. Mpikatroka nampiasa ny aterineto ihany koa izy mba hanaovana fanentanana momba ny raharahan'ilay mpianatra nogadraina.
Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna
Manoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampidirana ny Firaisankina Maghreb ny blaogera toniziana Big Trap Boy, izay ahitana an'ireo firenena avy ao Afrika Avaratra, sy ireo tombontsoany ho an'ny vahoaka rehetra ao amin'ny faritra. Antsoiny ihany koa ireo blaogera toniziana sy ireo Maraokana, Alzeriana, Maoritaniana ary Libiana mba hanao ny andron'ny 1 jona ho andro fanaovana blaogy hanentanana ny Firaisankina Maghreb, hoy ny tatitr'i Samsoum.
Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou
Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity, resahan' i Nadia ny fanapahankevitra "mahagaga" nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity.