· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Oktobra, 2018

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

30 Oktobra 2018

Feo avy ao amin'ny Wiki

Ampahany amin'ny majikan'ny olombelona sy ny ara-teknika ahafahan'ny Global Voices miasa ny wiki velona, izay ahafahan'ny mpiserasera manerantany milaza amintsika momba ny bilaogy sy ny tranonkala tokony hodinihantsika, sy ahafahantsika miara-manova tahirin-kevitra toy ny ny Torolàlana ho an'ny bilaogy tsy mitonona anarana.

24 Oktobra 2018

WSIS: Miaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra any Tonizia

Na dia teo aza ny fahasarotana natrehana, voakarakaranay ihany ny semineranay ''Fanehoankevitra Ambany Famoretana'' taty amin'ny Fivoriana An-tampony ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Tena noho ny hazondamosina matanjaka ananan'ireo mpanohana anay izany, ny ONG Nerlandey Hivos, izay nanilika ilay vondron'ny polisy nanao fitafin'olontsotra izay niezaka ny nanakana anay

23 Oktobra 2018

Ry Bilaogin'izao Tontolo izao, Mitambàra!

Raha toa ka lasa mahazatra manerana izao tontolo izao ny fanoratana bilaogy ary satria mitodika amin'ireo olon-tsotra amin'ny fitantanana ny bilaoginy ireo mpanao gazety, orinasa, mpanao pôlitika sy ireo fikambanana tsy miankina, mandeha lavitra kokoa nòho izany ireo ankizy milay ary milalao fitaovana mampivondrona ny vontoatin'ny weblog maro ho ao aminà bilaogy iray vaovao.

23 Oktobra 2018

Fotodrafitrasa CIA Ao Tonizia Hoe?

Avy ao amin'ny efitrano figadrana ao Bizerte (65km ao avaratr'i Tonizia), afaka namoaka taratasy iray tena mampiahiahy (nadika tamin'ny teny frantsay) izay tonga hatrany amin'ny Aterineto i Ramzi Bettibi, Toniziana iray voafonja . Mifonja mandritra ny efatra taona ao Bizerte i Ramzi noho ny namerenany namoaka teo amin'ny Aterineto, izay izy no mpandrindra, ny fanambaràna nataon'ny tarika iray mandrahoana hanao asa fampihorohoroana ao amin'ny firenena raha toa ny Praiministra Israeliana teo aloha, Ariel Sharon ka mbola nanatrika ny Fihaonambe Erantany mikasika Fampahalalam-baovao izay natao tany Tonizia tamin'ny taona 2005.

07 Oktobra 2018