· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Novambra, 2018

Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – 2006

Natao tamin'ny alatsinainy lasa teo tao amin'ny toeram-pisotroana kafe/toeram-pisakafoanana Latina ny  fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-11. Tsara ny fandraisana anjara tamin'ity fihaonana ity izay nahitana olona 18. Ny fihaonana manaraka dia tokony hatao any amin'iny tangoron-tendrombohitra Zaghouan.

24 Novambra 2018

Akon'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana – Aog 2005

Manoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny fanakona-masoandro (eclipse solaire) hitranga ao Tonizia amin'ny 3 Oktobra i Adib, izay saiky ho fanakona-masoandro tanteraka 98%. Tsara jerena indrindra avy eny an-tanàna atsimon'i Douz, vavahady ho an'ny Sahara Toniziana izany. Misy ny fetibe fanakona-masoandro ho atao any an-tanàna oasis atsimo any Tamerza.

17 Novambra 2018