Tonizia: Niteraka Fitroarana Ny Fanorohana ny Tanan'ny Filoha

Fanafintohinana, fahatezerana, ary fahasosorana; izany no tsapan’ny mpiserasera Toniziana raha nahita ilay lahatsary tao amin’ny Youtube mampiseho lehilahy manoroka ny tananan’ny filoha Moncef Marzouki tamin’ny 26 Aprily. Ahitana an’i Marzouki mitsidika tampoka tsenam-bahoaka  ny lahatsary. Raha vao niditra tao an-tsena izy, nihiaka ny sasany tamin’ireo olona tao hoe “Ho ela velona ny filoha”, sy hoe “Ho ela velona i Marzouki”. Lehilahy roa kosa no nanoroka ny tanany raha nandray ny tanan’ireo olona miasa ao an-tsena izy. Nampahatsiahy ny fanorohana tanana nandritra ny fitondran’i Zine El Abidine Ben Ali, ary noheverina ho toy ny fanoherana ny lanjan’ny vanim-potoana taorian'ny fitroarana tao Tonizia.

Ny fiadidian’ny presidanza Toniziana no namoaka voalohany ny lahatsary mampiady hevitra tao amin’ny fantsona Youtube. Nofafana izany avy eo ary nosoloina iray hafa tsy ahitana tanana orohana intsony. Saingy efa tara loatra; satria efa niparitaka manerana ny vohikala ny lahatsary.

http://youtu.be/ZhiR1K1Bq_g

Tohina i Mohamed Ali Chebâane:

@MedAliChebaane: Mr @Moncef_Marzouki, laisser un citoyen vous faire le baise main pendant une visite de terrain est écoeurant!

@MedAliChebaane:Andriamatoa @Moncef_Marzouki, maharikoriko ny mahita fa avelanao manoroka ny tananao ny olom-pirenena!
Moncef Marzouki Elected Interim President of Tunisia

Moncef Marzouki Elected Interim President of Tunisia, Photo by Amine Landoulsi © Copyright Demotix (Dec 2011)

Emna Mejri nihevitra toy izany ihany koa :

@emnamejri: la vidéo de @Moncef_Marzouki 3ar 3ala tounes

@emnamejri: Henatra ho an’i Tonizia ny lahatsary ahitana an’i @Moncef_Marzouki

Nihevitra kosa ny sasany fa tsy tokony omena tsiny i Marzouki. Hamdi Gatri nisioka hoe:

@hamdigatri: قبيل يد المرزوقي حركة يلام فاعلها و ليس الرئيس , نريد احترامًا و تقدير للرئيس لا تذللاً و عبدية
@hamdigatri: Ilay nanoroka ny tanan'ny filoha no tokony omena tsiny fa tsy ny filoha. Mila fanajana sy fankasitrahana avy amintsika ny filoha, fa tsy fisolelahana sy fanompoana

Ghazi Hakim nanoratra toy izao:

@ElGueuzi: تقبيل يد المرزوقي دليل على أنه لا نجاح لثورة الشارع بدون ثورة العقول ‬‏
@ElGueuzi Ny fanorohana ny tanan’i Marzouki no manaporofo fa tsy hahomby ny revolisiona eny an-dalana raha tsy misy ny revolisiona eo amin’ny toetsain’olona

Mpamahana bolongana Fatma Riahi (manoratra amin'ny anarana hoe Fatma Arabicca) nanontany ny filoha:

@arabicca1:‏ صدر مرسوم الباي يوم 20 جوان 1860 بمنع “تقبيل اليد” سواء من قبل الرعيّة او الضيوف وأنت وقتاش ؟
@arabicca1: Namoaka lalàna mandrara ny “oroka amin’ny tanana” na amin’ny olona ao an-tanàna, na vahiny ny Bey tamin’ny 20 Jiona 1860 – ary ianao, rahoviana?

Mpamahana bolongana Emna Ben Jemaa nampitaha an’i Marzouki tamin’ ilay mpanao didy jadona voahongana Zine El Abidine Ben Ali, tao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ela velona ny tsy fandrosoana…Ela velona Marzouki”:

Une scène que je n’ai jamais oubliée, et pourtant j’étais très jeune
Ben Ali venait de faire son fameux discours du 7 novembre 1987, et une foule de tunisiens s’est mise à crier « Vive Ben Ali », il a souri et leur a dit « Non, dites Vive la Tunisie »
Quelques temps après, il s’est non seulement habitué à cela mais je suppose qu’il aurait même trouvé anormal que les gens ne crient pas à sa gloire
On s’est débarrassé fort heureusement du dictateur et de ses méthodes, et on a pour président PROVISOIRE un ancien militant des droits de l’homme. Mais…qu’est ce je vois sur la vidéo que je partage avec vous.
Marzouk s’offre son bain de foule, certains crient «Vive le président, Vive Marzouki !!! »…Et il ne réagit pas, il se limite à sourire fièrement.
Pire il tend sa main pour des baise mains ? Même Ben Ali retirait sa main quand certains voulaient l'embrasser. BAISE MAIN????
C’est quoi encore ce nouveau délire ?
Est-ce que notre destin c’est de vivre dans la médiocrité ?

Zava-nitranga tsy adinoko mihitsy fony izao mbola tao anatin’ny fahatanorana tanteraka:
Vao vita ny kabary nataon’ i Ben Ali tamin'ny 7 Novambra 1987, nanomboka nihiaka ny vahoaka hoe “Ho Ela Velona i Ben Ali!” Nihomehy izy tamin'izany ka nilaza tamin'ny vahoaka hoe, “Tsia, lazao hoe Ho Ela Velona i Tonizia!”
Fotoana fohy taty aoriana, tsy vitany hoe lasa zatra izany fiteny izany izy fa hitako ihany koa fa somary hafahafa izy raha tsy midera azy ny vahoaka.
Soa ihany fa afaka tamin'ny mpanao didy jadona sy ny fombany isika, ary mpikatroka ho an'ny  zon'olombelolna ankehitriny no filoha VONJIMAIKA antsika. Saingy…ity no hitako tao amin'ny lahatsary:
Nidina nifanakaiky tamin'ny vahoaka i Marzouki, ny sasany nihiaka hoe “ho ela velona ny filoha, ho ela velona i Marzouki!!!” Tsy nanao na inona na inona izy anefa; fa nihomehy am-pireharehana fotsiny.
Fa ny tena ratsy indrindra dia ny nanomezany ny tanany mba orohana? Kanefa i  Ben Ali aza nahalala nanifika ny tanany raha misy olona mikasa hanoroka izany. Oroka amin'ny tanana???
Inona indray no tranga vaovao hiseho?
Anjarantsika ve ny hiaina ao anatin'ny tsy fandrosoana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.