Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Janoary, 2013
Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?
Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà...
Mpanakiana Ny Tafika Toniziana Voasazy Higadra Taona Iray Sazy Mihantona
Nampitomboin'ny fitsarana miaramila iray ao Tunis ny sazy mihantona famonjàna ho an'i Ayoub Massoudi, raha 4 volana dia lasa taona iray. Voaheloka i Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, higadra efatra volana, sazy mihantona, noho ny fiampangàna azy ho "nanala-baràka" ny tafika sy "fanaovana tsinontsinona ireo mpitondra ambony ao amin'ny tafika", tamin'ireo fanambaràna [en] nataony tanaty fahitalavitra mikasika ny fandroahana hiala an'i Tonizia ho any Libia natao an'ilay Praiministr'i Muammar Gaddafi teo aloha, Baghdadi Mahmoudi Massoudi.