Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Aogositra, 2012

29 Aogositra 2012

Mpanao Sariitatra Politika Toniziana _Z_: ‘Tsy Nisy Zavatra Tena Niova’

Nampiasa ny bilaoginy manokana debatunisie.com hanambarany ny heviny hatramin'ny 2007  ny mpanao sariitatra politika tsy fantatra anarana ‘_Z_’. Hita ho tsy mahafaly ny Islamista ao Tonizia ihany koa ny sariritatra tsy nahafaly ny mpitondra ‘samirery’ teo aloha Zeine el-Abidin Ben Ali. Niteny i _Z_ fa roa ihany ny tsipika mena tsy hihoarany...

27 Aogositra 2012

Tonizia: Miatrika Fitsarana Miaramila Ny Mpanolotsaina Fahinin'ny Filoha Noho Ny Fanakianan'ny Tafika

Niatrika fitsarana miaramila i Ayoub Massoudi, mpanolotsaina fahiny ny Filoha Toniziana Moncef Marzouki, noho ny fanambaràny momba ny Praiminisitra Libiana teo aloha, Baghdadi Mahmoudi (fony Gaddafi). Nolazainy fa "famadihana ny Fanjakana" ilay fampodiana.

16 Aogositra 2012

Tonizia: Sidi Bouzid Mitroatra. . . Indray

Sidi Bouzid, ilay tanàna Toniziana niaingàn'ny onjanà revolisiona tany amin'ny tontolo Arabo efa ho herintaona sy tapany mahery, dia toa mangotrangotraky ny andianà hetsi-panoherana vaovao indray. Manosika ny vahoaka ireo olana ara-toekarena, sosialy sy politika, ny vahoaka izay maneho tsy fahafaham-po misonga hatrany amin'ny governemanta eo an-toerana amin'izao fotoana.

09 Aogositra 2012

Tonizia: Niharan'ny Herisetran'ny Polisy Ilay Bilaogera Lina Ben Mhenni

Raha nikasa hanatrika fihetsiketsehana milamina tao andrenivohitry Tonizia ilay mpikatroka sady bilaogera Lina Ben Mhenni tamin'ny  5 Aogositra 2012 lasa teo, tsy noeritreretiny mihintsy fa hoavy hanao herisetra aminy ireo izay lazaina fa tokony hiaro ny lalàna sy ny filaminana [polisy]. Nanafika azy ny polisy 10 tamin'ireo. Tao amin'ny lahatsoratra bilaogy mitondra...