Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fanovàna tao Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.
Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanomboka tamin'io alina io ny fifandonana, Zoma ny andro, ary nitohy nandritra ny herinandro manaraka. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.
Nitifitra entona mandatsa-dranomaso an'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana, hanaparitahana azy ireo. Avy eo dia nisambotra azy ireo, eny fa na hatrany ambony tafon-trano aza. Voatàna ireo mpanao fihetsiketsehana sasany, izay nitarika hetsi-panoherana sy fifandonana ho lasa lavidavitra kokoa.
Nitranga andro vitsy monja taorian'ny nipoahana fifandonana mikasika ny asa [ar] tany amin'ny tanànan'i Moularès any atsimo sy ny herisetra nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ireo tsy an'asa nanao fihetsiketsehana tany Tunis izany fifandonana izany.
Nitoraka bitsika ny mpitoraka bilaogy Tounsiahourra:
Nanampy izy:
Mampiseho ny mpitandro filaminana manafika ireo araben'ny Cité El Mallaha any Radès ity lahatsarin’ i TunisByNightt manaraka ity:
Nihetsika tamin'ny alalan'ny fitoraham-bato sy coktails Molotov an'ireo mpitandro filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana. Ary nitoraka bitsika ny mpitoraka bilaogy Haykel:
@Haykel7: markez ecchorta fel Maléha #Rades totalement brûlé hier #tunisie #tngov
Naneho ny tahony momba ny fitombon'ny fifandonana eo amin'ny mpitandro filaminana sy ireo mpanao fihetsiketsehana i Narjess, mpampiasa Twitter:
@NJESSREB: La question qui se pose:vont-il prolonger l'état d urgence qui prend fin le 30 avril? #OmLaarayes #Rades #1Mai #Tourisme #Tunisie
Fahanginan'ny Media
Nibitsika ny mpitoraka bilaogy Wessim:
Nitsikera ny fahanginan'ny media i Tounsiahourra:
Nitoraka bitsika i Med Salah M'Barek:
@MidoxTheGeek:#Radès est à 10~15 km du siège de #TTN et aucune équipe n'a été envoyée pour couvrir les évènements !!!
Fisokafan'ny mediam-panjakana
Mety ho tsy niraharaha ireo hetsika ireo ny fantson'ny fahitalavitr'i Tonizia, raha tsy toy izany kosa ny governemanta. Nanome rohy mankany amin'ireo sary navoakan'ny Minisitry ny Atitany tao amin'ny Facebook ny Talen'ny Global Voices Advocacy Sami Ben Gharbia ao amin'ny Twitter.
Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Fanovàna tao Tonizia 2011 ity lahatsoratra ity.