Tena nalahelo tokoa ny 6 Aprily 2012 teo ny mpiserasera ao Tonizia sy ireo vondron'olona mafana fo, noho ny nanakanan'ny polisy ilay hetsi-panoherana nokasaina atao ho fahatsiarovana ireo Maritiora. Nitranga izany andro vitsy monja taorian'ny fidinana an-dalamben'ireo tanora tsy an'asa izay noravan'ireo polisy an-kerisetra.
Niomana ny hanohitra ilay fanakanana tao amin'ny lalamben'i Habib Bourguib ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny fanombohan'ny hetsik'izy ireo teo amin'ny lalamben'i Mohamed V. Nanao izay anaparitahana ny olona tamin'ny alalan'ny entona mandatsa-dranomaso, kibay, ary kibay misy herinaratra ireo polisy tamin'izany. Voadaroka tao na mpikambana sasany tao amin'ny Antenimieram-pirenena, na mpanao gazety, na bilaogera, na mpahay lalana ary mafana fo maro. Naneho ny fahatezerany, alahelony, sy ny fahatsapana ho efa nahita ny toy izao ny mpiserasera.

Mpanao fihetsiketsehana voahodidin'ireo polisy tao Tunis ny 09 Aprily 2012,sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Amine Ghrabi (CC BY-NC-SA 2.0).

Entona mandatsa-dranomaso eny amin'ny rivotra. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Amine Ghrabi (CC BY-NC-SA 2.0).
Nandefa bitsika toy izao ilay mpanoratra ao amin'ny Global Voices Afef Abrougui :

Ireo mpanao hetsi-panoherana mitsoaka entona mandatsa-dranomaso tao Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Entona mandatsa-dranomaso manerana ny rivotr'i Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).
Nandefa bitsika Ilay mpampiasa Twitter Tunisienne Libre (@Fleursdecactus) fa miely eny an-dalambe hafa koa izany herisetra izany :
@Fleursdecactus: C'est le chaos à Jean Jaures, av. de Paris, rue de Marseille… Poursuites, agressions, lacrymo.

Ireo mpanao hetsi-panoherana mifindra avy amin'ny lalambe iray mankany amin'ny iray. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).

Fifandonan'ireo polisy tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny lalamben'i Mohamed V tao Tunis. Sary avy amin'i Lina Ben Mhenni (CC BY-NC-ND 3.0).
Nanoritsoritra ny zavanitranga i Slim Amamou, bilaogera lehibe ary mpanorina ilay antoko Piraty ao Tonizia :
@slim404: #9avril Le nombre de bras fracturés est anormal. Il y a qlq chose qui a changé dans l'équipement ou les méthodes de la police
Voadaroky ny polisy ary voatery naiditra hopitaly i Fatma Riahi, fantatra amin'ny anarana hoe Fatma Arabicca, bilaogera lehibe ary mpanorina ilay Fikambanan'ny Bilaogera Ao Tonizia. Ao amin'ito lahatsary ito [Ar]no hanazavany ny zava-nitranga :
nanakiana ny fanamarinantenan'ny Governemanta i Afef Abrougui tamin'ny filazan'izy ireo fa voarara ny manao hetsi-panoherana eny andalamben'ny Habib Bourguiba, noho ny fiarovana ny resaka fandraharahana sy ny fisintonana mpizaha tany :
@AfefTN : mpanao hetsi-panoherana, Mpikambana ao amin'ny Parlemanta, mpanao gazety,mafana fo & mpianatra ho mpitsabo no voadaroka tao anatin'ny 2 andro tao #Tunis | fomba tsara hisintonana ireo mpizaha tany kosa ry Governemantan'ny tsy misy saina #9avril
Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Pandora's Box” ny Bilaogera Keyser Söze :
Le 9 avril 2012 restera un jour triste dans la mémoire de tout tunisien. Il portera à jamais la marque de l’ingratitude des autocrates en poste envers le peuple qui les a libérés.
Nanampy toy izao izy :
Toute la panoplie de la répression de l’aire dictatoriale a été employée pour casser du Tunisien. Ils ont même eu recours à l’aide de milices inconnues comme à la belle époque.
Mampiseho ireo polisy manenjika ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny herisetra ataon'izy ireo ity lahatsary manaraka ao amin'ny YouTube ity izay avy amin'i TunisiaTalks.
Nangataka tamin'ny governemanta [fr]hanokatra fanadihadiana mba ahafantarana ny tena tomponandraikitra tamin'izany Mustapha Ben Jafar, Ilay Filohan'ny Antenimieram-Pirenena. Niala tsiny noho ny fampiasan-kery be loatra natao tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana tao amin'ny fahitalavitra, ilay Filoha Moncef Marzouki.