· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Oktobra, 2011

Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara

Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika...

24 Oktobra 2011

Frantsa: Manokatra Ny “Fikambanan'ny Fanondro Manga” Ny Toniziana Any Am-pielezana

Mifarana izao ny telo andro natao hifidianana ho an'ireo Toniziana monina any ivelany ary nananganany "vondrona fanondro manga" any amin'ny tambajotra sosialy. Mampidera ny fanondrony miloko manga ireo Toniziana mpifidy tany Frantsa - porofo fa anatin'ny fikambanan'ireo mpifidy tany ampiandohan'ireo fifidianana ny "assemblée constituante" Toniziana manan-tantara ry zareo.

23 Oktobra 2011

Tonizia: Andro fifidianana androany!

Mandia andro manan-tantara ireo Toniziana androany. Andro fifidianana izay handehanan-dry zareo any amin'ny birao fifidianana, hifidy "assemblée constituante" nasionaly, zay hisahana ny fanoratana lalàm-panorenana vaovao, sy ny famoronana governemanta vaovao. Indreto misy santionan-kevitra tamin'ny andro nialoha ny fifidianana.

23 Oktobra 2011

Frantsa: Rantsan-tànana Manga Sy Ranomasom-pifaliana Noho Ireo Toniziana Am-pielezana Afa-Mifidy

Nandeha nandatsa-bato ireo Toniziana monina ao Frantsa androany (20/10/2011) alohan'ny fifidianana izay hatao any amin'ny firenen-dry zareo ny 23 Oktobra. Diboky ny hafaliana sy nirehareha tokoa ireo mpifidy fa afaka nifidy malalaka sy ara-demaoratika, voalohany tao anatin'ny 50 taona ary sivy volana monja taorian'ny revolisiona Arabo - ary mampidera ny rantsan-tànany misy ranomainty izy tamim-pireharehana tokoa.

21 Oktobra 2011