Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Jona, 2017
Sary: Fandehandehanana any Afrika Avaratra
"Nandany vola tamin’ny fividianana fitaovana fangalana sary raitra ny ekipa, mba hahafahantsika mampitombo ny isa sy ny hatsaran'ny sary mandravaka ireo lahatsoratsika."
Tonizia: Vehivavy Iray Mpampiasa Facebook Nampidirina Amponja Noho Ny Fanaparitahana Ireo Honohono Mety Hanakorontana Filaminam-bahoaka

Mpitsara taloha [...] nametraka fialàna noho ny taratasy misokatra nalefany ho an'ny filohampirenena [...] manameloka ny tsy fisiana fahaleovantena eo amin'ny fahefam-pitsarana [...] mihevitra fa ny governemanta dia mitady olona atao sorona ao anatin'ny raharaha mikasika tsaho. [...] Mbola manjavozavo be ny lalàna toniziana raha mikasika ny fanaparitahana ireo tsaho amin'ny Web.
Bilaogy Maghrebiana
Nanomboka tetikasa iray vaovao mitondra ny anarana hoe Maghreb Blog (Bilaogy Maghrebiana) ny vondronà mpanoratra bilaogy mavitrika avy ao amin’ny tontolo Maghrebiana; izay misy an'i Maraoka, Tonizia, Alzeria, Libia ary Maoritania.
Tonizia: Ilay vehivavy Voalohany Voaheloka 6 Taona An-tranomaizina Noho ireo Asany An-tserasera

I Mariam Zouaghi no vehivavy toniziana voalohany voaheloka vokatry ny Lalàna miady amin'ny fampihorohoana nivoaka tamin'ny 10 desambra 2003. Voasambotra tamin'ny 26 jolay 2008 i Mariam noho izy nijery ireo tambajotra Web voaràra, [...] ny fiampangana azy dia mifandray amin'ireo asany an-tserasera
Tonizia : Andro Mainty Ho An'ireo Mpitoraka Bilaogy
Bilaogy Toniziana maro, ao anatin'izany ireo bilaogy tsy mavitrika nandritra ny volana maro, no voasivàn'ny manampahefana tamin'ny tsy nisy antony. Lina Ben Mhenni, izay voasivàna ny bilaoginy, no mitatitra ireo bilaogy tsy azo idirana intsony ankehitriny any Tonizia.
Tonizia: Fampahafantarana ny Dahsha, Rakipahalalana Iray
Mampahafantatra antsika momba ny rakipahalalana an-tserasera Dahsha ilay bilaogera Toniziana Mohammed Marwan Meddah , ary namaritra izany ho "iray amin'ireo ezaka fanatsarana lehibe ho an'ny votoaty Arabo ao amin'ny aterineto."
Tonizia: Ny Gazety Baklava
Maneso ny gazety iray ato amin'ity lahatsoratra amin'ny teny Arabo ity ilay bilaogera Toniziana Boudourou noho ny famoahana dokambarotra izay mandrisika ny mpamaky mba hisoratra anarana ary hahazo fonosana balkava misy an'irony 'amandes' irony.