Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Desambra, 2011
Tontolo Arabo: Kisarin'ny Tanjaky ny Global Voices Ao Amin'ny Twitter
Hanao jery todika ny sasany amin'ireo fihetsiketsehana lehibe hitanay nandritra ny 2011 izahay. Ity lahatsoratra ity dia hanavaka ny anjara asan'ny fikambanana Global Voices Online amin'ny fanapariaham-baovao ao amin'ny Twitter nandritra ny revolisiona Toniziana sy Ejipsiana
Tontolo Arabo : Misaotra Anao Mohamed Bouazizi! Misaotra Anao Sidi Bouzid!
Ireo mponina anaty aterineto manerana izao tontolo izao dia mankalaza ny fitsingerenan'ny taona voalohan'ny revolisiona Arabo, izay vokatry ny fandoroana tena nataon'ilay mpivarotra voankazo sy legioma Mohammed Bouazizi tao Sidi Bouzid, Tonizia. Ilay nanomboka ho fanoheranà olona iray noho ny hambmo-po dia nanaitra ny tontolo Arabo ary mihoatra noho izany ny afon'ny revolisiona, izay nahatonga fahatezerana ary tsy mety maty na dia teo aza ny ezaka nataon'ireo mpanao jadona sy ny mpanara-dia azy ireo
Tontolo Arabo: Arahabaina i Tonizia!
Ilay mpitolona ho an'ny zon'olombelona, Moncef Marzoiki, 66 taona, no voafidy ho filoha vonjimaika hitantana an'i Tonizia nanomboka ny 13 desambra. Mpanohitra izy ary nogadraina sy natao sesintany nandritra ny...