· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Marsa, 2011

Tonizia: Voaraoka ny Minisitry ny Atitany, Tezitra ny Bilaogera

  31 Marsa 2011

Tafintohina ireo bilaogera Toniziana tamin'ny fanesorana ny Minisitry ny Atitany vonjimaika Farhat Rajhi androany.Tamin'ny fihetsika tsy nampoizina, dia nosoloina an'i Hbib El-Seed izy. Nandritra ny fihetsiketsehana izay namely ny firenena ny tapaky ny volana desambra tamin'ny taona lasa, niventsoventso ireo mpanao fihetsiketsehana hoe “Minisitera mpampihorohoro ny Minisiteran'ny Atitany.” Raha voatendry...

Tontolo Arabo: Boky Torolalan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy

  25 Marsa 2011

Nivoaka izao ny Boky Torolàlan'ny Arabo Tsy Refesi-Mandidy, ary efa any anaty Twitter amin'ny fotoana anoratako. Ao amin'ny Twitter, nanjohy an'i Iyad Elbaghdadi ny mpampiasa Twitter sasany hanambatra ireo fialàna bàla henontsika hatrizay avy amin'ny governemantan'ireo firenena Arabo nahitàna fihetsiketsehana nangatahana ny fiovan'ny mpitondra sy fanavaozana nanomboka tamin'ny fitroaran'ireo Toniziana tany amin'ny faramparan'ny taona 2010 tany. Na dia sahala amin'ny hoe nalaina mivantana avy tany anaty tantara an-tsary mampihomehy ireny izy ireny, dia mbola manana mpihaino sy mpanohana hatrany ry zareo any amin'ny fireneny any.

Tonizia : Tsy nankasitrahana ny fitsidihan'i Hillary Clinton

  21 Marsa 2011

Fanadihadihana manokana mikasika ny Tonizia taona 2011 ity lahatsoratra ity. Tao anatin'ny roa volana izay naha-voaongana ny Filoha Toniziana teo aloha Ben Ali noho ny fihetsiketseham-panoherana revolisionera, tsy latsaky ny 4 ireo tompon'andraikitra Amerikana tonga tao Tonizia : ny sekreteram-panjakana mpanampy ho an'i Afovoany Atsinanana (Moyen-Orient) Jeffrey Feltman, ny sekretera...

Tontolo Arabo: Mifaninana amin'ilay fifaninanana antsoina hoe Arabisk ireo mpitoraka bilaogy

  11 Marsa 2011

Miady ny loka azo amin'ny fifaninanana amin'ny "Ny bilaogy Arabo tsara indrindra " (Arabisk) ny mpitoraka bilaogy Arabo. Eo amin'ny ambaratongan'ny fitsarana amin'izao ny fifaninanana. Tsaraina amin'izao ireo bilaogy 20 voalohany nozaraina ho sokajy efatra, ary ampahafantarina amin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny valin'ny fifaninanana. Manan-kambara betsaka i Haifa Al Rasheed momba io fifaninanana io.

Tonizia: Krizin'ny mpitsoa-ponenana ao an-tsisintanin'i Libya

  04 Marsa 2011

Ny sisintany misy eo amin'i Tonizia sy i Libya dia nahatazanana ny firohotry ny mpitsoa-ponenana maro be  hatramin’ ny nisian'ny fitroarana tao Lybia. Sady lava no sarotra ny dia mamonjy sisintany, ary ho ny ankamaroany dia tsy mbola tsy mifarana eo ny fahasarotana. Vahoaka marobe  aman-jatony no niandry sady niaritra...