Tantara mikasika ny Tonizia tamin'ny Avrily, 2019
Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana?
Toniziana valo no anisan'ireo vatana mangatsiaka 197 natolotr'i Israely tany Libanona, nandritra ny fifanakalozana gadra farany teo amin'ny firenena roa tonta. Mitaky ny fiverenan'ireo sisa tavela ho any amin'ny fireneny ireo bilaogera Toniziana - ary manome voninahitra ny maty amin'ny fandevenana ataon' ny fanjakana.
Sivana tsy voasakan-tsisintany: ny zavatra niainan'ny bilaogera Maraokana iray

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Bilaogera Maraokana manan-talenta i Naoufel Chaara. Efa nahazo loka tamin'ny fifaninanana bilaogy tsara indrindra iraisam-pirenena (BOB) izay nokarakarain'ny Deutsche...
Tonizia : Fampijaliana am-ponja natao an’ilay bilaogera sady mpanao gazety Slim Boukhdhir
Niharan’ny fampijaliana maro ilay bilaogera sady mpanao gazety Toniziana i Slim Boukhdhir, 39 taona, izay nogadraina tao amin’ny fonjan’i Sfax nanomboka ny 4 Desambra 2007. Nohelohin’ny fitsarana Toniziana i Slim Boukhdhir noho ny ‘’herisetra nataony tamin’ny mpiasam-panjakana iray am-perinasa’’ sy ny " fanohintohinana ny fahamendrehana".